Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Tsy fahafehezana teny Frantsay – Fahatelo alohan’ny farany ny firenena Malagasy

Nihena ny lenta fahaizan’ny Malagasy teny Frantsay. Lasa fahatelo alohan’ny farany i Madagasikara ankehitriny raha tao anatin’ny dimy voalohany izy ny taona 1997 tamin’ny fifehezana teny Frantsay. Betsaka ny mpampianatra tsy mahafehy izany teny izany. Manoloana izany indrindra, nanolotra Diksionera miisa 650 an’ireo ministera telo misahana ny lafiny fampianarana, ny Ambasadaoron’ny Frantsa Vouland-Aneini, izay niarahana namolavola tamin’ireo orinasa malagasy. Diksionera natao hifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara izay misy ny sarin’ny sainam-pirenena malagasy, ny sarin’ny kianjan’ny Mahamasina ary ny « Tour Eiffel ». Fanomezana izay tafiditra ao amin’ny herinandron’ny frankofaonia ; eo koa ny fikarakarana ny fihaonam-be ny firenena miteny Frantsay amin’ny volana novambra ho avy izao mba hanampy tosika ny fahazotoana hianatra izany teny izany.

 

Sekoly misy trano famakiam-boky sy lavitra no laharam-pamehana

« Ny ahaizan’ny zaza rehetra mamaky teny sy manoratra, mifehy ny teny Malagasy sy Frantsay no tanjona. Ny filofosana ataon’ireo mpampianatra amin’ny asany ihany no vahaolana satria miainga amin’ny fahaizan’izy ireo izany. Tsikaritra anefa fa mila fampiofanana be izy ireo, noho izy mampita fahaizana. Efa nisy ihany ny fanomezana fiofanana, izay efa natomboka tamin’iny taon-dasa iny ary tsy maintsy hotohizana », hoy i Paul Rabary, minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Mahatratra 350 ny isan’ny Diksionera natolotra ho an’ity ministera ity. Ireo sekoly manana trano famakiam-boky no hahazo tombony amin’ireo sekoly 35 000 manerana ny Nosy. Diksionera miisa 150 avy kosa ny an’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny ministeran’ny Fampananan’asa, ny fampianarana teknika ary ny fiofanana araka asa. Nosinganina atao laharam-pahamehana ireo sekoly any amin’ny faritra mitoka-monina raha toeram-pianarana 90 ny an’ity farany manerana ny Nosy hoy kosa i Ramanantsoa Benjamina Ramarcel, minisitr’izany sekoly izany.

 

L.N

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre