Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Sambava – Renim-pianakaviana nahafoy zanaka

Nampivarahontsana ny fokonolona tany amin’ny distrikan’i Sambava, ny habibiana tsy roa aman-tany vitan’ny renim-pianakaviana iray tamin’ny zanany izay naloakan’ny kibony, ny alatsinainy lasa teo. Vitan’ilay vehivavy ny nandevim-belona ny zanany vao roa volana monja, noho ny fandaozan’ny vadiny azy. Tany Amboangibe, kaominina Bemarivo, no nitrangana izany. Araka ny vaovao voaray, nilaozan’ilay rain-janany ity vehivavy ity tamin’ny nitondra vohoka. Naleony nandray fanapahan-kevitra izay tsy noeritreretin’ny olona ho vitany mihitsy satria tsy nahazaka hamelona irery ny zanany izy.

Noentiny tany an-tsaha ny zanany vavikely, ny alatsinainy io. Nony niverina anefa izy dia tsy niaraka tamin’ilay tsy manan-tsiny intsony. Gaga tamin’izany ny rahavaviny ary nanontany izay nasiany ilay zaza. Tsy rototra anefa izy namaly sy nilaza fa nateriny any amin’ny rainy ilay zaza. Tsy nino izany ity rahavaviny ity ka nampandre ny zandary mba hitady ny marina ary tamin’izany no nanambarany fa naleviny ilay zaza.

Nandavaka lavaka sahabo ho iray metatra izy rehefa tonga tany an-tsaha nametrahany ilay zaza, araka ny fitantarany. Vao napetrany tao anefa ilay tsy manan-tsiny dia nitomany ka noraisiny indray nomeny nono mba hampitony azy ary naveriny tao indray rehefa nangina. Notsindriny vato be amin’izay ny tratran’ilay zaza menavava ary nototofany amin’izay, dia niverina toy ny tsy nanao na inona na inona teny an-tanàna amin’izay izy.

Nofongarina ilay zaza avy eo fa ny reniny kosa notazomina ao amin’ny borigadin’ny zandary any an-toerana ary ilay rain-jaza kosa mbola karohina amin’izao fotoana izao.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre