Vous êtes ici :

Lundi 29 Avril 2024

ombre

Fanjakana be adihevitra

Raikitra indray, nanomboka omaly, ny dinika politika iarahan’ny mpitondra malagasy sy ny vondrona eoropeanina izay atao any Taolagnaro. Dinika hitondra inona intsony anefa amin’izao fe-potoana mampisasaka ny fitondran’ny Hvm izao. Zavatra tokana ihany mantsy no andrasan’i Madagasikara ny famatsiam-bola amina miliara dolara be dia be hahafahana manatanteraka ireo tetikasam-pampandrosoana rehetra efa norafetina ary efa fantatr’ireo mpamatsy vola rahateo. Fihetsiketsehana fotsiny hatreto ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy mpampisambo-bola vahiny fa tsy misy vokany mazava. Mahihitra ary tsy te hanampy an’i Madagasikara izany ny vahiny. Tsy fantatra ihany koa anefa na tsy fahatokisana ny mpitondra ankehitriny mihitsy no mahatonga ny vazaha hanao izany. Mifanohitra hatrany mantsy ny kabary sy fampanantenan’ireo tompon’andraikitra vazaha milaza fa mahita ezaka sy vokatra tsara amin’ny fomba fiasan’ny mpitondra malagasy nefa mangataka fotoana lava sy mametraka fepetra maro sarotra tanterahina vao mamoaka vola kely tsy hitan’ny vazan’ain’ny asa fampandrosoana akory. Mpanavakavaka mihitsy ireo vahiny satria rehefa any Eoropa sy ny manodidina no mila vola dia haingana be ny famoahana izany. Anisan’ireny ohatra ny any Grèce izay efa tena latsaka an-katerana dia nomen’ny Eoropeanina vola be avo 10 heny nohon’ny ilain’i Madagasikara. Toy izany ihany koa ny any Siria izay miandry fandaminana kely fotsiny dia hitobaka ny famatsiam-bola. I Madagasikara anefa efa am-polo taonany no nitady ilay 2 miliara dolara, avy eo niakatra kely fa tsy nihoatra ny 10 miliara dolara akory nefa tsy misy mety manome. Naongana Ratsiraka sy Ravalomanana satria lazaina fa tsy nahay nitantana nefa tsy nivoaka ny famatsiam-bola. Nokendaina i Rajoelina tamin’ny tetezamita ary noterena hapetraka ny Repoblika fahefatra nefa tsy hita ihany izay vola nivoaka efa roa taona aty aoriana. Hiandry vasoka ity fitondrana ity eo raha toa ka ny mpamatsy vola vahiny no antenainy hitondra asa fampandrosoana eto amintsika. Lany andro amin’ny fanatrehana adihevitra sy dinika ary fikarakarana fivoriana sy fihaonana iraisam-pirenena fotsiny. Tsy hitondra fampandrosoana goavana ho an’i Madagasikara izany ny fandraisana ny fivoriamben’ny frankofonia eto amintsika. Na ny fotodrafitrasa hampiasaina aza dia tsy misy vaovao fa ny teo ihany no namboamboarina. Mahagaga mihitsy ny antony ianteheran’ny mpitondra Hvm amin’ny fampanantenana poakatin’ny vahoakany izay tsy manisy lanjany an’i Madagasikara izany. isaky ny misy tatitra iraisam-pirenena mantsy dia ny hilaza fa gisitra i Madagasikara no mahamaika ireo milaza fa mpiara-miombona antoka amintsika. Eo ambony pilopitra sy rehefa miresaka amin’ny mpitondra izy ireo manasohaso sy midokadoka nefa rehefa manao tatitra milaza avokoa fa gisitra amin’ny lafiny rehetra ilay Nosy mena. Raha ny tena tokony ho izy dia tsy tokony handany andro amin’ny fanatrehana fihaonana sy adihevitra ary fifandresen-dahatra intsony ny mpitondra Fanjakana ankehitriny fa efa tokony hiasa mafy hanatanteraka ny fampadrosoana nampanantenainy hatramin’izay. Manana harena azo trandrahina sy havadika vola hampiasaina amin’ny asa fampandrosoana i Madagasikara nefa toa tsy mazoto firy ny hanao izany ny mpitondra. Ohatra iray fotsiny ireo bolabolan’andramena aman’aliny vao nisaina tsy ela akory izay nefa dia avangongo any amin’ny toerana itazomana azy fa tsy azo amidy. Toy izany ihany koa ireo bolabola hafa an’hetsiny tratra hatramin’ny taona 2011 araka ny fikambanana alliance voahary gasy. Raha amidin’ny Fanjakana ireo tena mahatratra amina miliara dolara ny vola miditra amin’ny kitapom-bola madiodion’ny firenena ary afaka hamatsiana tsara ny asa fampandrosoana rehetra. Tsy hanao izany anefa ny mpitondra fa mangatak’andro lava ary aleon’izy ireo mitrosa amin’ny vahiny toy izay hisitraka ny harem-pirenena. Be adihevitra fotsiny fa tsy sahy maka fanapahan-kevitra.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre