Vous êtes ici :

Mercredi 15 Mai 2024

ombre

Fananarana – Naratra nodarohan’ilay tovolahy sy ny sipany ny reniny

Renim-pianakaviana iray no naratra mafy rehefa nodarohan’ny zanany lahy sy ny sipan’ity farany. Antony nanaovan’ilay tovolahy izany  ny fitenenana mafy azy amin’ny fipetrahany lava ao an-trano, andro vitsy lasa izay, teny Ankadindratombo. Mba nananatra azy amin’ny fidonanam-poana ny reniny, araka ny loharanom-baovao akaiky azy ireo.Tsy tian’ity zanany izany ka niafara tamin’ny fikasihan-tanana ny nahitany masoandro sy ny fisitahany ny trano fonenany ary nifindra tany amin’ny sakaizany teny Alasora izy.

Tsy nijanona teo fa nanita-kevitra ny hangalatra tao amin’ireo nitaiza ilay vehivavy io indray izy roa kely. Nangalarin’izy ireo ny lelavola 6 tapitrisa ariary, ny fahitalavitra fisaka sy ny entana sarobidy maro. Nametraka fitoriana avy hatrany  ny lasibatra ary voarohirohy ny mpiandry tanàna. Nandritra ny fanadihadiana ity farany no nilazany fa tompon’antoka tamin’ny fangalarana ireo mpisakaiza ireo. Tsy vao sambana fa efa maromaro ny fianakaviana lasibatr’izy roa ireo araka ny voalaza. Notazomina eny amin’ny zandary izy telo ary mitohy ny famotorana.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre