Betroka – Niofana momba ny fiahiana ara-tsosialy ireo « patron » omby
Notanterahan’ny Cnaps tany amin’ny distrikan’i Betroka ao anatin’ny faritra Ihorombe ny fampiofanana (Sass) andiany faharoa tamin’ity taona 2016 ity, tao amin’ny lapan’ny Paroasy, ny alatsinainy ka hatramin’ny alarobia lasa teo. Distrika manan-karena i Betroka raha tsy hitanisa afa-tsy ny fiompiana omby, sy ny vato isika. Maro anefa ireo mpampiasa (patron omby) no tsy mahafantatra akory ny adidy izay tokony hataony amin’ny mpiasany; vitsy ihany koa ireo mpiasa no tsy mahalala mihitsy ny zo ara-tsosialiny.Vokany, samy miasa an-jambany ny rehetra. Hany ka matimaty foana sy maratra amin’ny tsy antony ary mitondra takaitra ireo mpiandry omby rehefa tonga ny fanafihana mitam-piadiana ataon’ireo dahalo satria tsy mba misy mpiahy.
Anton’ny fampiofanana ny fampahalalana ny zon’ ny olona rehetra amin’ny fiahiana ara-tsosialy mba tsy hisy intsony ny mpiasa very zo.Tsy natao ho an’ny mpiasa birao na ny mpiasa eny anivon’ny orinasa irery mantsy izany fa na dia ireo amin’ny sehatra ny fiompiana omby koa aza ,araka ny fanambaran’i Rakotomila, talen’ny fitantanana ny Cnaps.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







