Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Variana nitsimpona kapa – Mpangalatra omby iray maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny zandary  ny mpangalatr’ omby iray, taorian’ny fifandonana, tany Miandrivazo, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Voalaza fa notafihan’ny dahalo efa-dahy ny valan’omby iray ka ny roa niditra tao am-bala fa ny roa ambiny kosa nijanona tety ivelany. Tao Miandrivazo II, teo akaikin’ny hopitaly vaovao no nisian’ny fanafihana. Tsy nampoizin’izy ireo anefa fa misy herinaratra ny fefin’ny valan’omby. Nalefan’ny tompon’omby izany raha vao tafiditra tao izy roalahy dia ary tsy afaka nivoaka intsony. Main’ny herinaratra foana isaka ny hikasa hivoaka ireo jiolahy. Nanararaotra nampandre ny mpitandro filaminana, nandritra izany ireo lasibatra. Notsoahana ny herinaratra rehefa nanakaiky izy ireo.

Nandositra avy hatrany ireo dahalo vao nahatazana ny fahatongavan’ny zandary. Raikitra ny fifampitifirana ka tafaporitsaka ny telo fa ny iray maty voatifitra teo amin’ny lohany. Araka ny loharanom-baovao, variana nitsimpona ny kapany niala ny tongony ity farany. Mbola hita teny aminy ny moara sy ny fitaovam-piadiana fampiasan’izy ireo. Azo lazaina fa miaina ao anaty tsy fandriam-pahalemana tanteraka ny mponin’i Miandrivazo amin’ izao fotoana izao, manoloana ny halatr’omby misesisesy afitsok’ireo malaso. Nidiran’ny efa-dahy mitam-basy ihany koa ny talata lasa teo ny valan’ombin’ny masera. Tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro tany ho any izany fanafihana izany ka lasa ny omby roa.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre