Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Loza an-drano – Zaza telo maty natelin’ny renirano

Ambatolampy hatrany Sambava, zaza telo no maty natelin’ny rano. Niseho ny loza voalohany,tany Amboanjobe II, tao amin’ny kaominina Behenjy ny andron’ny talata 15 martsa, tokony ho tamin’ny 1ora atoandro. Navalan’ny rano ny zazalahy iray 11 taona, mpiandry omby raha niampita ny renirano antsoina hoe Andromba, tao Bevovoka. Natao ny fikarohana ka ny ampitson’io 16 martsa vao hita ny vatan’ilay zaza efa tsy misy aina intsony.

Ankizivavy roa samy manodidina eo amin’ny 7 taona eo kosa ireo namoy ny ainy natelin’ny reniranon’i Bemarivo, tany amin’ny kaominina Nosiarina, any Sambava, ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 2ora tolak’andro. Zanaka talen-tsekoly tsy miankiana ny iray ; zanaka mpampianatra vao nahazo famindran-toerana avy tany Antsiranana kosa ny faharoa. Saika handeha haka voasary izay manamorona ity renirano ity izy ireo, tamin’io fotoana io. Nanapa-kevitra ny hilalao rano mantsy ireo zazavavy kely ireo talohan’ny hiverenana hody ka rendrika avy eo. Niara-nisalahy nikaroka ireo zaza tamin’ny fampiasana sambo kely haingam-pandeha  ny fokonolona taorian’ny fampandrenesana nataon’ireo fianankaviana teny an-toerana. Hita tany amin’ny 10 kilometatra eo Ambatomenavava, ny zanaky ny talen-tsekoly saingy efa maty. Mbola karohina kosa ny faharoa hatramin’izao.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre