Analakely – Nakatona ny pavillon 666
Nakaton’ny avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra, omaly ny tsena fivarotana « pavillon » laharana faha-666 eo Analakely. Nanaitra ny maro, indrindra ny tompon’ny tsena ity fanapahan-kevitra tampoka sy tsy azo nivalozana ity satria tsy mazava ny tena antony. Andaniny ny tompon’ny tsena milaza fa ara-dalàna tanteraka ary an-kilany kosa ny mpiasan’ny kaominina nanao ny fanakatonana, manizingizina fa nisy tsy fanarahan-dalàna ka izay ny antony nanidiana ny tsena. Nilaza mantsy ny kaominina fa efa nisy taratasy nalefa mialoha nampilazana fa hakatona ny pavillon 666 nefa nolavin’ilay mpivarotra fa tsy naharay izany izy. Nisy ny fifandirana saingy nakatona ihany ilay tsena tamin’ny farany, nofantsihana hazo ny varavarana ary nasiana peta-drindrina manamarina ny fanakatonana. Nanambara ny tompon’ity « pavillon » ity fa tsy hanaiky ary te hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana.
Niely avy hatrany ny resa-be avy eo fa ny laharana 666 izay mariky ny bibidia no tena antony nanakatonana ity tsena ity. Mpandala ny resaka finoana sy ny herin’ny resaka isa rahateo ny mpitantana ny kaominina koa mety tsy eken’ny eritreriny ny fisian’ity isa mariky ny bibidia ity eo afovoan-tanàna eo, hoy ny firesaky ny olona teny Analakely omaly. Andrasana, noho izany, raha mbola hosokafana ihany ity « pavillon » ity rehefa milamindamina ny raharaha na hakatona tanteraka mihitsy noho io isa voaozona io.
Dom
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







