Vous êtes ici :

Lundi 15 Décembre 2025

ombre

Vahoaka faran’izay mijaly !

Nivoaka ny laharan’ny firenena miadana indrindra maneran-tany ary voasokajy tamin’ny laharana faha 148 amin’ny 157 i Madagasikara. Firenena mijaly indrindra maneran-tany ity nosy malaza amin’ny fananana harena voajanahary betsaka indrindra ity raha tsorina. Vahoaka mahantra miaina ambony harena ny malagasy hoy ny vazivazin’ny mpahay sasin-teny. Efa hita kosa ny vokatry ny asa fampandrosoana ary tena misy fiantraikany mivantana eny amin’ny fiainam-bahoaka hoy ny filazan’ny mpitondra Fanjakana. Samy manana ny fijeriny tokoa ary lasa hevitra roa tena mifanipaka toy ny atsimo sy avaratra. Ny vahoaka mahita fa miha sarotra andro aman’alina ny fiainana eto Madagasikara ary manamafy izany hatrany ireo valim-pikarohana sy fanadihadiana ary fampitahana ataon’ireo manam-pahaizana manokana eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny mpitondra kosa tena resy lahatra fa miasa tsara sy miasa mafy ary mahazo vokatra. Ny filohan’ny Repoblika ary moa dia efa namerimberina mihitsy fa taonan’ny fiotazana ny vokatry ny asa fampandrosoana ity 2016 ity. Iza ihany izany no tena milaza ny marina. Raha ny fahitan’ny mpitondra mantsy dia mizotra amin’ny lalana mankany amin’ny fampandrosoana i Madagasikara saingy ny mpamingana sy ny mpanatsatso no mahay milaza sy mamilivily ny saim-bahoaka mba hahafahana manozongozona ny fitondrana. Na ny samy ao anaty governemanta aza dia mifanenjika sy tsy mifanara-tsaina satria misy ireo heverina ho mpandoto rano sy tsilo mampandringa ny asa fampandrosoana tiana ho tanterahina.

Ny isan-tokan-trano sy ny isan-tanàna kosa anefa mahita fa mihamafy ny fiainana noho ny fahambanian’ny fahefa-mividy. Tsy mitsaha-misondrotra mantsy ny vidin’entana eny an-tsena nefa ny vola miditra tsy misy fivoarany. Miha tsy taka-bidy intsony ny sakafo fihinana andavan’andro satria efa mihoatra ny 1500 ariary ny kilaon’ny vary mora indrindra ary maherin’ny 10.000 ariary ny hena. Santionany ireo fa lafo be ny vidim-piainana eto amintsika. Tsy finiavana te hitaraina na ihany koa vahoaka be menomenona fa tena mijaly ny vahoaka matoa miteny foana. Tsy fantatry ny mpitondra mihitsy ve fa tsy mifanandrify amin’ny antontan’isa sy ny tatitra azon’izy ireo ny zava-misy iainan’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao. Ny tatitry ny teknisianina mantsy tsy maintsy milaza fahombiazana hatrany satria olona nokaramaina hitondra vokatra izy ireny. Tena amin’ny fo madio sy mahitsy ny Filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny Praiminisitra Jean Ravelonarivo rehefa miresaka fa mandeha amin’ny tokony ho izy ny asa fampandrosoana ary mahafa-po ny vokatra azo satria tatitra feno fahombiazana no azon’izy ireo. Be rahateo ireo olona nomena toerana no mahay mandambolambo ary tsy mitatitra ankoatra ny fahombiazana azo mba hahafahany mitazona ny toerany. Mety ho voafitaka ihany ny filoha satria zavatra tsara avokoa no hitany sy reny amin’ny haino aman-jerim-panjakana sy amin’ireo mpiara-miasa aminy. Misy aretina mikiky anefa ny vahoaka matoa tsy mety miarin-doha ny firenena na dia eo aza ny ezaka rehetra atao. Tsy mahagaga raha voasokajy ho vahoaka faran’izay mijaly indrindra maneran-tany ny malagasy. Voalohany amin’ny fepetra famaritana ny fijalian’ny vahoaka ny vola miditra isan-taona isam-batan’olona. Kely dia kely mba tsy hilazana fa ambany dia ambany io ho an’ny vahoaka malagasy ary mampanon-tany tena ny vahiny hoe ahoana ny hahafahana miaina amin’izany ? Mbola mahavita miaina ny malagasy satria efa zatra tsy ampy sakafo sy mitsabo tena amin’ny alalan’ny fanafody hita etsy sy eroa na ny fampiasana ireo zavamaniry entina manasitrana. Mbola tafiditra amin’ny maridrefin’ny fijaliana ihany koa ny fisian’ny kolikoly izay efa mahazo ny sehatra rehetra miainga any amin’ny fokontany ka hatreny amin’ny sehatra ambony izay tsy azo lazaina an-gazety fa mampigadra. Santionany ireo fa ny zava-misy marina dia mijaly ny vahoaka ary mila mandray ny andraikiny ny mpitondra hampitoniana izany fijaliana izany.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre