Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Ambohimanga Rova – Tsy eken’ny mponina ny hanaovana azy ho harembakoka

Notanterahana omaly teny amin’ny lapan’ny tanàna Ambohimanga Rova ny fampahafantarana ireo mponina manodidina eny, ny lalàna mifehy sy manan-kery eto Madagasikara momba ny harembakoka voatrolombelona sy voajanahary « ny tahirin-kevitra mamaritra ny tokony hatao » mba ho fikajiana sy ho fiarovana azy. Notontosain’ny ministeran’ny Kolontsaina sy ny asa tanana, ny Oscar (ofisy mitantana ny vohitr’Ambohimanga izany. Ny fitazonana ny soatoavina ara-kolontsaina sy voajanahary ananan’ny faritra voasokajy sy ny faritra arovana  ny zava-kendrena ; ny fanoloran-kevitra sy fanolorana lalàna amin’ny mety ho fanamboarana, fanavaozana, fanitarana sy fanovàna ary fanorenana atao amin’ity harem-pirenena ity.

Tsy manaiky ary mitsipaka izany tanteraka ireo mponina any an-toerana satria tsy mitondra fampandrosoana ho azy ireo ny fisian’ny Oscar any an-toerana. « Tsy ekenay io harembakoka io satria tsy mandroso ny tanàna hatramin’ny nisian’io. Mitovy amin’ny gadra izahay aty satria tsy maintsy miaraka amin’ny mpiasan’ny Rova na handeha haka voankazo ao amin’ny taninay izay anananay taratasy ara-dalana aza. Sakanana avokoa izay atao rehetra. Tsy mahazo manao trano izahay raha tsy manara-penitra nefa tsy araka ny fahefa-mividinay izany. Rafitra avy amin’ ny Oscar sy didy iraisam-pirenena no atao », hoy ny solontenan’ireo mponina Raterambahoaka Germaine.

 

20 isan-jaton’ny vola ihany no miditra amin’ny kaominina

Niezaka nandresy lahatra kosa etsy ankilany ny avy ao amin’ny ministera sy ny Oscar, manoloana ny olana amin’ny fampiharana ity tahirin-kevitra ity. Tsy fahafantaran’ny olona ny atao hoe kolontsaina ny olana, araka ny filazan’izy ireo. Tsy misy ho very ny fananam-bahoaka fa mipetraka foana ny fananany ny tany. Ary 20 isan-jaton’ny vola azo no omena ny kaominina. Tsy ampy fahafantarana sy fitaizana ireo mponina ka ny hevitra entin’ny olon-kafa handemen-tsaina ny vahoaka no betsaka, hoy hatrany ny ministera sy ny Oscar.

Niezaka tsy momba ny atsy sy ny aroa kosa ny ben’ny tanàna any an-toerana fa nazava ny heviny. « Tsy hiady amin’ny vahoakako aho fa hiezaka handresy lahatra azy ireo satria tsy lalàna kaominaly fa lalàna avy amin’ny fanjakana izy io. Tsy nangataka ho harembakoka iraisan’izao tontolo izao tamin’ny Unesco izahay fa ny fanjakana no nanao sonia an’io. Aza ampidirina amin’izany izahay », hoy Ravoninjatovo Fidimalala.  Nasiany resaka ihany koa io vola miditra amin’ny kitapom-bolan’ny kaominina io satria tokony ho mifanohitra amin’izay ny anjarany.

 

L.N

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre