Fanomezan-dra – Olona 100 no vinavinaina ho tonga
Notanterahina omaly tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely ny hetsika fanomezan-dra niarahana tamin’ny filatex sy ny ekipany. Voakasika tamin’izany ihany koa ireo faritany 6 eto madagasikara sy ny faritra Vakinankaratra. Hita fa manana fahazotoana amin’ny fanomezan-dra ny Malagasy, satria efa mihoatra ny tanjona novinavinaina ireo tonga nanatanteraka izany raha olona 100 no nokendrena. Mihoatra ny 50kg ny olona azo ekena hanome ra. Tsy misy ahiana amin’ny fahasalamana izany fa vao mainka aza manatsara ny toe-pahasalaman’ny mpanome. Maro ireo mieritreritra fa misy voka-dratsiny ny fanomezan-dra. Mifanohitra amin’izany anefa, raha ny nambaran’ny mpitsabo satria misolo ra vaovao ao anatin’ny ora 2 monja izay efa niasa ela be tao amin’ny vatan’ilay olona, aorian’ny nangalana azy. Miaro amin’ny fahatsentsenana sy fahatapahan’ny lalandra na ny Avc izany. Eo ihany koa ny tombontsoa azon’ireo olona manana tosidra miakatra eny fa na ho an’ireo manaraka fitsaboana aza. Tokony hanome ra isaka ny 4 bolana ny vehivavy iray ; isaka ny 3 voloana kosa ny lehilahy, araka ny nambaran’ny mpitsabo. Haparitaka manerana ny hopitalim-panjakana hanampiana ireo mpiray tanindrazana manana olana ara-pahasalamana ny ra azo amin’ity hetsika ity satria tsy misy fanafody mahasolo azy.
St Jacques Marino
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







