Fivadiham-pitokisana – Nangalarin’ilay tovolahy nomeny ny sakaizany ny rojo volamena
Nahavita nangalatra tao amin’ny trano iray mifanilam-bodirindrina aminy ny tovolahy iray 20 taona, efa mpivezivezy ao ary efa toy ny zanaka an-trano mihitsy. Napetraka teo ambony latabatra ny rojo volamena ny andron’ny 16 martsa. Tampoka teo tsy hita izay nanjavonany. Nanontaniana avokoa ny tao an-trano ary isan’izany ity tovolahy ity izay samy nilaza fa samy tsy nisy nahita sy tsy naka ilay rojo volamena. Nametraka fitoriana, noho izany ny tompon-trano ka nampanantsoina tsirairay teny amin’ny biraon’ny polisy izy ireo. Nilaza ity tovolahy ity fa naka ilay rojo volamena ary natolony ho fanomezana ho an’ny sakaizany izany rehefa nandeha ny famotorana azy. Tsy tratra tao an-trano mihitsy kosa ilay vehivavy na dia efa nambarany koa aza ny toeram-ponenany. Mbola mitohy ny fikarohana azy izay voarohirohy ho mpiray tsikombakomba fa ilay mpangalatra kosa natolotra ny fampanoavana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







