Roa taona aty aoriana – Tratra ihany ilay ray nanolana ny zanany vavy 11 taona
Saron’ny polisy teny Ankadimbahoaka ihany ilay raim-pianakaviana 36 taona nanolana ny zanany rehefa nokarohina ela. Notorian’ny vadiny izy rehefa fantatr’ ity farany fa namiravira ny zanak’izy ireo vavy vao 11 taona, ny taona 2014. Vaky nandositra ary tsy hita izay nisy azy hatramin’ny 17 martsa lasa teo raha vao nahatsikaritra izany.
Nanolany nandritra ny fotoana maro ilay zaza rehefa tsy ao an-toerana ilay rangahy. Tsy sahy nitaraina ny nanjo azy anefa izy, noho ny fandrahonana ataon’ilay rainy azy. Narary ilay zaza. Taty aoriana , tsy nety nilaza ny nahazo azy izy rehefa nanontaniana. Nahatsikaritra ihany koa ny reniny rehefa avy eo nandritra ny fampandroana ny zanany fa misy zavatra hafahafa mivoaka eny amin’ny maha-vehivavy an’ity farany. Fantatra tamin’ny fizahan’ny mpitsabo fa nisy nanolana ilay zaza. Sahy nilaza avy hatrany izy fa novetavetain’ny rainy. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona avy hatrany ny reniny saingy tsy hita izay nandosiran’ny vadiny rehefa natao ny fisamborana azy. Roa taona aty aoriana tratra ihany izy ary niaiky ny heloka vitany nandritra ny famotorana azy. Miakatra ny fampanoavana androany ny raharaha.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







