Very ny fitiavan-tanindrazana !
Efa resa-be sahady tato ho ato ny fankalazana ny fahatsiarovana ny tolon’ny 29 martsa 1947 izay nandripahan’ny frantsay ny mpitolona tia tanindrazana izay nanao vy very ny ainy hiady ho amin’ny famerenana ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Toa ireo vondron’olona hikarakara ny hetsika fankalazana izany ihany anefa no sempotra sy manao izay ho afany fa ny malagasy iray manontolo sy ny mpitondra Fanjakana dia samy hita fa tsy rototra firy amin’izany fahatsiarovana izany. Tsy manana fitiavan-tanindrazana intsony ve ny malagasy sa lasa kanosa ka tsy sahy hitaky ny fahalalahana sy ny fahaleovantena tena izy.
Tsiahivina mantsy fa fahaleovantena an-taratasy ary nifanarahana no azon’i Madagasikara tamin’ny fananganana ny Repoblika voalohany fa tsy nandresy tamin’ny tolona nataony akory ny vahoaka. Lojika raha tsy tafavoaka satria nisy hatrany ireo mpamadika ny tolona ka nahatonga ny frantsay afaka nametraka paikady mazava nandripahana ireo tia tanindrazana. Efa hatramin’ny vanim-potoanan’ny fahampajaka, nandalo ny fanjanahantany ary mitohy mandraka ankehitriny ny fisian’ny mpamadika tanindrazana eto amintsika. Voavidy vola izy ireny ary manao izay ho afany amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny vahiny. Tsara toerana sy manan-karena ary manam-pahefana rahateo ireo mpamadika ka sarotra ho an’ny vahoaka ny hiady amin’izy ireo. Na eo anivon’ireo mpitondra Fanjakana nifandimby, na tao anatin’ny antoko mpanohitra dia nahitana ireny mpamadika ireny avokoa. Tsy mahagaga raha toa ka nisy tolom-bahoaka nandrodanana ny fitondrana nifandimby teto amintsika nefa tsy nahazoana vokatra firy ireny na dia maro aza no lasa sorona. Ny mpitondra no niova fa toa ny eo ihany no eo. Vao mainka aza ny firenena miha mahantra isaka ny misy fiovan’ny mpitondra sy ny fitondrana.
Rehefa tena dinihina dia ny tsy fahaizan’ny malagasy miray hina no tena fototry ny fahantrana eto amintsika. Samy tia tena sy maka ho azy misintona izay mitady ho lasa ambony. Toa izany ihany koa ireo manan-katao izay tsy mahafantatra afa-tsy ny hangoron-karena ho an’ny tenany manokana sy hitsentsitra ny hafa. Ny ory tsy havan’ny manana ary ny manana tsy naman’ny ory. Mifanenjika sy mifandaka ary mifamingana ny samy manana, ary mifanosika sy mifandetika ny samy ory.
Fotoana kosa angamba izao hitodihan’ny malagasy rehetra any amin’ny firaisankina sy fitiavan-tanindrazana izay toa lasa resa-be fotsiny hatramin’izay. Tsy voatery hifandona sy hifandramatra lava izao ny vahoaka sy ny mpitondra satria tanjona iray no katsahina dia ny fampandrosoana ny firenena. Vetivety i Madagasikara dia mandroso raha toa ka mahazo ny fanohanan’ny vahoaka ny mpitondra Fanjakana. Matetika ary saika isaka ny mikabary ny filoham-pirenena dia miteny fa andraikitry ny rehetra ny asa fampandrosoana ka mila mandray anjara amin’izany ny tsirairay. Tsy vitan’ny resaka fotsiny anefa izany fa mila ihany koa tan-tsoroka sy fanohanana avy amin’ny mpitondra mba hahafahan’ny vahoaka tena miasa ho an’ny firenena tokoa. Ataon’ny olona tsy an’asa ahoana moa ny handray anjara amin’ny asa fampandrosoana nefa ny tenany aza tsy velony. Izany hoe mila mametraka ny fepetra rehetra hahafahan’ny vahoaka mampandroso ny firenena ny mpitondra. Mila manao famoronan’asa mba hisian’ny famokarana izay antoky ny asa fampandrosoana. Mila mametraka fandriampahalemana maharitrra sy azo antoka ary drafitra ara-pahasalamana maimaim-poana ho an’ny rehetra. Raha tena tia tanindrazana dia mila manapaka ny rojo vy hanagejan’ny vahiny mpanjanaka antsika hatramin’izay. Tsy mahaleo tena ara-toekarena mantsy isika ankehitriny ary miaritra ny sitra-po sy ny fitsetsefan’ireo vahiny mpamatsy vola sy mpiara-miombona antoka ara-teknika ao anatin’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fanatontoloana. Raha toa ka mitrandraka ho azy ary manondrana ny harem-pirenena ho an’ny kitapom-bolam-panjakana ny fitondrana dia hanana vola be tsy toko tsy forohana hahafahana manatanteraka ireo drafitrasam-pampandrosoana ny firenena isika.
Mila fahasahiana sy fitiavan-tanindrazana anefa ny fanatanterahana izany satria tsy maintsy ho sakanan’ireo vahiny mpanjana-tany ara-toekarena ireo. Ho sahy hiatriaka izany ve ny mpitondra ? Aleo izy ireo no hamaly.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







