Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Antalaha – Mpividy omby maty notapahan-doha

Mahazo vahana tanteraka ity famonoana olona amin’ny alalan’ny fanapahan-doha ity any amin’ny faritra Sava amin’izao fotoana izao. Saika ho isan-kerinandro dia ahitana ity trangan-javatra mampalahelo ity any an-toerana. Tsy vao ela akory anefa izay no nisy ilay raim-pianakaviana maty notapahan-doha tany Sambava sy ilay tovolahy mpianatry ny Ceg tany Andapa. Lasibatr’ireo mpanapa-doha tany amin’ny distrakan’Antalaha indray ny mpividy omby iray. Hitan’ny olona sendra nandalo ny fatin’ilay tovolahy izay tokony ho 35 taona, ny alakamisy teo, tamin’ny 1ora atoandro tany amin’ny tanàna antsoina hoe Namoana, anatin’ny kaominina Ampohibe. Nampandre ny tompon’andraikitra avy hatrany ireo olona. Nidina tany an-toerana niaraka tamin’ny mpitandro filaminana sy ny ben’ny tanàna izy ireo hanao ny fizahana. Fantatra tamin’ny fitsirihana fa maty nokapaina famaky teo amin’ny vozony ity lehilahy ity ary efa hoditra kely fotsiny no nampitohy ny lohany tamin’ny vatany. Hita tany amin’ny 100 metatra niala ny razana ny kitapony ary fantatra tamin’izany fa olona avy any Maroantsetra, namonjy tsena  tao Namoana saika hividy omby izy io. Tsy nahitana vola intsony kosa tao anatin’ilay kitapo izay ahiana  fa efa lasan’ireo mpamono. Mbola tsy misy olona ahiana kosa ny amin’ity raharaha ity. Mandeha ny fanadihadiana.

 

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre