Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Famakiana ny fiangonana « Sacré Cœur » – Tratra ambodiomby ny tompon’antoka

Tsy misy intsony ny fahatahorana an’Andriamanitra fa hatrany am-piangonana avy no tsy ahaizana miaina. Nisy namaky ny fiangonana katolika « Sacré Cœur », ao Tanambao V, any Toamasina, ny alahadin’ny sampankazo teo, tokony tamin’ny 2 ora maraina tany ho any. Saika lasa avokoa ireo fitaovam-piangonana, soa fa tratra ambodiomby ilay tovolahy iray vao erotrerony tompon’antoka tamin’izany. Tsikaritry ny polisy manao fisafoana izy rehefa hivoaka izany tranom-piangonana izany, niaraka tamin’ny « Ampli, table mixeur, synthétiseur, groupe » fampandehanana herinaratra sy fitaovana vitsivitsy. Nentina avy hatrany atao famotorana ilay mpangalatra ary fantatra tamin’izany  fa mpivavaka ao amin’ity fiangonana ity ihany ny tenany.

Mila mailo hatrany ny olom-pirenena mahakasika ny firongatry ny asan-jiolahy mamaivay amin’izao ity fa tsy kely lalana ny mpanao ratsy. Ilaina hatrany ny fiaraha-mientan’ny rehetra mba hahafahana misambotra ireo fanetriben’ny firenena fa olona tena tsy ampoizina mihitsy no mety hahavita hamadika.

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre