Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Nangalatra henakisoa – Zazavavy 13 taona naratra nodarohan’ny mpivarotra

Nandratra zazavavy kely 13 taona, noho ny daroka tafahoatra ny mpivaro-kena iray teny 67ha, ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 8ora maraina. Nangalatra henakisoa namidin’ity lehilahy ity izy sy ny namany roa mianadahy. Tratra izy rehefa nenjehin’ny tompon’entana. Natontan’ilay rangahy tamin’ny arabe sy nakapony tamin’ny varavarana vy eo amin’ny trano fisakafoanana teo akaiky teo ny lohan’ilay zazavavy. Tsy nijanona teo fa mbola nodarohany sy nodakany  ihany koa. Raha tsy ny mponina no nanala ilay zaza teo amin’ity mpivaro-kena ity dia asa izay niafaran’ilay zaza. Vokany, vaky ny lohany sy ny tapikandriny ary ny vavan’ilay zaza. Nivonto ny tarehy.

nahitana henakisoa sy trondro ary legioma maromaro tao anaty kitapony Rehefa nosavaina izay mety avy nangalarin’izy ireo tany Ambodin’Isotry mba hatao laoka.

Betsaka ireo olona teny amin’ny manodidina nanome tsiny ny fihetsik’ilay mpivaro-kena manoloana ny herisetra nataony tamin’ity zaza tsy ampy taona ity. « Ekena fa nangalatra ilay zaza saingy tafahoatra kosa ny nataon’ity mpivarotra ity. Tsy tokony ohatr’izao mihitsy ny sazy natao taminy. »

 

Laurena Nany

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre