Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Lehiben’ny mpiandry fonja tratra nangalatra « panneau solaire »

Tratran’ny fokonolona nangalatra herinaratra azo avy amin’ny masoandro, tao ny lehilahy iray sahabo ho 47 taona eo ho eo, tao amin’ny fokontany Ambodisaina, any Toamasina, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 11ora antoandro tany ho any. Masaka tao an-tsain’ireo mponina izay efa leo ny amin’ny ataon’ireo olon-dratsy ny hampihatra ny fitsaraham-bahoaka avy hatrany. Nolazainy fa lehiben’ny andian’ny mpiandry ny fonja any Ambalatavoahangy ny tenany. Niahotra tamin’ny fikasihan-tanana ireo mponina vao naheno izany. Kanefa izy efa tratra nangalatra indray no avo vava. Tezitra tamin’izany fihetsiny izany ireo olona ka namatotra azy. «Marihina fa saika tsy sahy hamatotra azy amin’ny maha mpiandry fonja azy ny mponina fa ny vavany mirehareha loatra dia tezitra ny olona ka io niafara amin’ny fikasihan-tanana azy io », hoy ny loharanom-baovao. Nalefa teny amin’ny lehiben’ny boriborintany kely (chef carreau) ilay olon-dratsy avy eo.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre