Toamasina – Lehilahy hita faty natsingevan’ny rano
Hita faty natsingevan’ny ranomasina, teny akaikin’ny Port Fluvial, any Toamasina, ny zoma lasa teo ny lehilahy iray tokony ho 35 taona. Fianakaviana iray sendra nandeha nitsangatsangana teny an-toerana no nahatsikaritra izany. Nampandre ny tompon’andraikitra avy hatrany izy. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo nanao ny fizahana ka nahitana ratra ny masony sy vavany ary mifatotra ny tanany sy ny tongony.
Hay nandritra ny fanadihadiana fa mpangalatra niharan’ny fitsaraham-bahoaka izy io ary natsipy tany anaty rano. Araka ny loharanom-baovao mantsy dia tratran’ny fokonolona namaky trano manakaiky ny tetezana mainty any an-toerana izy. Niezaka nandositra saingy mbola tratra ihany. Mbola sarona teny aminy ireo entana norobaina izay nafatratra tao anaty kitapo.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







