Ankazomanga – Manofa trano hitobiana mihitsy ireo mpanendaka
Voasambotry ny polisy indray ireo mpanendaka dimy lahy mbola tsy ampy taona, ny zoma lasa teo tokony ho tamin’ny 7ora hariva, teny Ankazomanga. Fantatra tamin’ny fiaraha-miasa’ny tompon’andraikitra ny fokontany sy ny polisim-pirenena fa misy ankizilahy maromaro manendaka matetika eny amin’iny toerana iny indrindra eny amin’ny dalle. Hay tao anatin’ny fanadihadiana azy ireo fa efa misy trano iray ofain’izy ireo miaraka eny an-toerana, izay hitobiana rehefa handeha sy avy manao ny asa ratsy. Radegany izany no lehiben’izy ireo sy manofa ilay trano, araka ny filazan’izy ireo hatrany. Miaraka daholo rehefa handeha hanendaka ary zaraina izay azo avy any. Natolotra ny fampanoavana, omaly ireo mpanendaka fa mbola karohina kosa ilay lehiben’izy ireo.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







