Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Fiaran’ny zandary nifandona tamin’ny Mazda – Olona dimy naratra

Olona 5 no naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana, teny Mausolée, omaly 23 martsa. Zandary ny iray tamin’izy ireo. Tokony ho tamin’ny 00ora sy 40 minitra no niseho ny loza. Avy nanao « service d’honneur ny Unimog » ireo zandary tamin’izany. Teo amin’ny lalana hitsofoka ao amin’ny vavahadin’ny « Escadron Mixte » no nifandona tampoka tamin’ny fiara Mazda iray avy any Ampasampito hihazo eny Mausolée ny fiara nitondra azy ireo. Nahatratra 30 metatra ny « trace de freinage » ary nijanona ho fahadimy ny hafainganam-pandeha an’ilay Mazda, araka ny vaovao vaoray.

Vokany, olona dimy no naratra ka ny efatra tao anatin’ilay fiara Mazda ary anisan’izany ny saofera, izay voatery nosikirina mihitsy. Zandary kosa no fahadimy.

Potika ihany koa ireo fiara anankiroa. Raha ho an’ilay Mazda dia rotika ny « train » an-kavia aloha, vaky ny jiro ary nihemotra ny « cabine ». Nihemotra kosa ny « pare-choc » an’ilay fiara nitondra ireo mpitandro filaminana. Tsy vitan’izany fa mbola niforitra ihany koa ny « aile », vaky ny jiro an-kavanana aloha.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre