Halatra lavanila manta – Fandraisana andraikitra ny rehetra no vahaolana
Mirongatra ny halatra lavanila tsy matoy manerana an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao, indrindra any amin’ny faritra Analanjirofo, Sava ary Diana. Mba hialana amin’izany dia mila avahana ireo tena matihanina amin’ity lalam-pihariana ity mba tsy ho tandondomin-doza ity seha-pihariana iray izay mampiditra vola vahiny ho an’ity Nosintsika ity. Ilaina ihany koa ny fandraisan’andraikitra ny rehetra. “ Ny fandraisana andraikitra ny rehetra lavitry ny fifanomezan-tsiny, ny fanampiana tosika sy fampitaovana ny mpitandro ny filaminana amin’ny fanatanterahana ny asany ihany no vahaolana mahomby amin’ny ady amin’ny firongatry ny halatra lavanila maitso mahazo laka amin’izao ”, hoy ny filoha lefitry ny Anterimieram-pirenena, solombavam-bahoakan’i Madagasikara voafidy tao Antsiranana I, Dr Mahazoasy Freddie, manoloana ny firongatr’ity asa ratsy ity any amin’ny Faritra Sava sy Diana. Mbola nohamafisiny ihany koa fa mila haverina ny “taxe de sécurité à l’exploitation” izay nofohanana tamin’ny repoblika fahatelo tapany voalohany, noho ny fangatahan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena tamin’izany, izay nampihena ny vola niditra tamin’ny fanjakana teo amin’ny fanondranana ny vokatra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







