Tetik’asa Bvpi /Phrd – Fampitomboana fambolena avy amin’ireo lemaka
Ny tetik’asa Bvpi /Phrd (Bassins Versants Périmètres Irrigués / Policy and Human Resources Development) dia natao ho fampitomboana maharitra ny vokatry ny fambolena avy amin’ireo lemaka voatondraka sy ny sahandriaka mifandraika aminy. Maharitra efa-taona (2014-2017) ny tetik’asa. Kaominina efatra ao Marovoay no toerana hiasany : ny lemak’i Marovoay, Marosakoa, Ambolomoty ary Ankazomborona. Nidina ifotony tao amin’ny kaominina Ankazomborona, ny talen’ny fampandrosoana ny faritra sy ny avy ao amin’ny Foibem-paritry ny fampiroboroboana ny fambolena any Boeny mba hijerena ny vokatra azo tamin’ny taona 2014-2015.
16% isaka ny hekitara isan-taona ny vokatra andrasana
Sehatr’asa efatra ihany koa no ampiharin’ny tetik’asa amin’ireo toerana ireo : ny fampivoarana ny fambolena izay mampidi-bola toy ny lojy sy ny voanjo ; ny fampiroboroboana ny lemaka voatondraka (périmètres irrigués), izay misahana indrindra ny adirano sy ny fitarihan-drano ho amin’ireo velaran-tanimbary midadasika amin’ireo kaominina efatra nosafidian’ny tetik’asa ireo. Tafiditra amin’izany ny fanatsarana ireo Sahandriaka (Bassins versants) amin’ny alàlan’ny fambolen-kazo sy ny fangadiana lavaka 21 voaaro izay tototry ny fasika tamin’ny taona 2014-2015. Ny fanohanana ny fikarohana mikasika ny vary kosa ny farany. Fiaraha-miasan’ny tetik’asa amin’ny Fofifa izay efa manana traik’efa amin’ny fikarohana ara-pambolena izy ity.
Anisan’ny vokatra andrasana aorian’ny 2017, izay ahataperan’ny tetik’asa dia ny fampitomboana ny tahan’ny vokatra mihoatra ny 16% isan-taona isaka ny hekitara amin’ireo toerana hiasan’ny Bvpi-Phrd ; ny fampitomboana ny isan’ ireo mpamboly mampiasa ny tekinika nohatsaraina ho maherin’ny 7200 ka mba ho vehivavy ny 27% amin’izany.
Mpamatsy vola ny firenena japoney amin’ny alàlan’ny Jica ary mpitantana kosa ny Banky iraisam-pirenena.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







