Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Toamasina – Ravan’ny polisy ny tambajotra ny mpanendaka

Eo anatrehan’ny fitarainana maro be voarain’ny polisim-pirenena any Toamasina, indrindra ao amin’ny fokontany Ambolomadinika, mahakasika ireo mpanao sinto mahery sy mpanendaka any an-toerana dia andian-jiolahy miisa 4 no voasambotra, ny faran’ny herinandro teo. Tsy ampy taona ny iray tamin’ireo. Andiana tanora avokoa ireto mpanendaka ireto ary mandeha ao anaty tambajotra. Isan’ny mampalaza azy ireo ihany koa ny resaka sinto mahery. Nahafahana nisambotra azy ireo ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po rehefa natao ny fikarohana. Tratra teo ampisotroana toaka, tany amin’ny faritra Verrerie ary mbola tratra niaraka tamin’izy ireo ny vola sy ny fakan-tsary avy  norobaina.

Tamin’ny fanadihadiana  azy ireo no nilazan’izy ireo fa efa asa fanao hatramin’ny ela ny asa fanendahana. Sahy nanambara mihitsy ny iray sady nirehareha fa henjana izy amin’izany asa ratsy izany. Nandritra ny fakana am-bavany azy ireo no nahafantarana fa mbola misy naman’izy ireo miriaria any ary efa eo am-pikarohana azy ireo ny polisy.

Mbola nangataka fiaraha-miasa amin’ny vahoaka hatrany ny polisim-pirenena any an-toerana mba hamongorana hatramin’ny fakany ity asa fanendahana sy fanaovana sinto mahery any Toamasina ity. Tsy tokony hisalasala hiantso ny laharana 112 raha misy ny hamehana na zavatra mampiahiahy mba ho tonga haingana sy ara-potoana ny mpitandro filaminana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre