Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Mamono eritreritra !

Mitobaka ary tena mameno ny haino aman-jery sy ny gazety ary peta-drindrina ny dokam-barotra mahakasika ny fety aman-danonana ary fihenam-bidy amin’izao ankatoky ny fetin’ny paska izao. Raha atao bango tokana dia toa manam-bola ihany ny malagasy satria toy ny tsy misy afa-tsy fety eto amin’ny firenena. Rehefa tena alalinina toa longoa mitoto bozaka ihany ireny fihetsiketsehana be ireny ary natao hanadinoina ny fahantrana sy ny adim-piainana. Tena milanonana tokoa ny malagasy rehefa fety satria andro iray toa zato entina miala ny sorisorim-piainana andavanandro ny fetin’ny paska toy izao. Toy ny mamono eritreritra ihany satria manan-jo hifaly sy ho ravo ary hanadino ireo adin-tsaina tsy ahitam-bahaolana. Ireo marivo salosana moa dia mivary lavo any amin’ny zava-pisotro mahamamo na tsy mpandray izay isan’andro aza. Manao mamo be mihitsy mba ahafahana mamoaka ny rediredy sy revin-gadra ary nofy ririnina tsy sahy lazaina isan’andro. Hanova inona anefa ny famonoana eritretritra ? Vao misava ny toaka ary vao tapitra ny fety dia miverina amin’ny laoniny ny fiainana. Vao mainka aza mihasarotra satria betsaka ny vola nolaniana nandritra ny fety ary hanahirana ny hitady solon’ireny ahafahana miana ao anatin’ny volana. Tsy hadisoana ihany koa anefa ny mba miala amin’ny mahazatra satria na hiafy na hirobaroba tsy hisy fiantraikany amin’ny fantsarana ny fiainana izany. Mijanona ho mafy ady foana ihany ny ankamaroan’ny olona na mankalaza ny fetin’ny paska na tsy manao izany.

Mampiseho ireo rehetra ireo fa tena sahirana ny vahoaka malagasy ary ady lava ny fiainana raha mbola te ho velona. Firenena mahantra indrindra maneran-tany, vahoaka mijaly indrindra, firenena maloto indrindra, be kolikoly indrindra,…lava ny lisitra raha ho tanisaina avokoa no sady mahamenatra olona rahateo satria samy malagasy mibaby izany avokoa isika rehetra. Na ny mpitondra Fanjakana aza dia karazan’ny efa mamono eritreritra ihany koa raha ireo kabary heno etsy sy eroa no ho resahina. Milaza ho afa-po amin’ny zava-bita hatrany mantsy izy ireo ary mahita fa azo tsapain-tanana sy misongadina ny asa fampandrosoana eto Madagasikara. Mifanipaka tanteraka amin’ny zava-misy iainan’ny vahoaka malagasy sy tsinjon’ny sehatra iraisam-pirenena anefa izany filazana fa mandroso izany i Madagasikara. Amin’ny maha mpitarika azy ireo dia tsy maintsy milaza sy mankahery ny rehetra hatrany ny mpitondra Fanjakana fa misy ny fanantenana fa ho avotra ity firenena ity ary eo am-panatanterahana izany izy ireo. Karazan’ny famonoana eritreritra ihany anefa ny fampanantenana izao zavatra rehetra tsy ho vita izao satria lasa nofinofy sy faniriana sisa no betsaka. Tato ho ato izao dia niverimberina ny hoe hanala ny olan’ny hain-tany sy ny tsy fisian’ny rano any Atsimo ka hametraka tetikasa goavana sy maharitra. Tsy mbola hita soritra aloa izay fomba hanatanterahana izany fa toa lasan-ko vavany fotsiny. Nisy ihany koa ilay dinikasam-paritra natao ho fitadiavam-bahaolana haingana sy maharitra amin’ny fahantrana sy ny tsy fahampian-tsakafo any Atsimo nefa tsy hita ihany koa izy tohiny hatreto fa toa nijanona tamin’ny famoahana fehin-kevitra fotsiny dia nangingina any ambadika any. Mampiseho ireo fa te hanao ihany ny mpitondra saingy sahirana amin’ny fomba hanatanterahana ny tetikasa sy fehin-kevitra efa mameno trano any anaty minisitera tsirairay any. Maro amin’ireo manam-pahaizana no manasokajy an’i Madagasikara toy ny toerana midadasika fandevenana tetikasa. Mitombina tokoa satria lany andro sy lany vola amin’ny fandrafetana tetikasa ny mpitondra malagasy nefa tsy tanterahina akory ireny fa asitrika any anaty tahirin-kevitra fotsiny avy eo manao tetikasa hafa indray . Ny tsy fisian’ny famatsiam-bola hatrany no fanazavana entina ho tsy nanatanterahana ireny tetikasa ireny. Ny famonoana eritreritra amin’ny alalan’ny nofinofy sy ny fampanantenana poak’aty sisa no fomba fiady azon’ny mpitondra entina ampandriana adrisa ny vahoaka.

 

Ravalo tsy Manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre