Vohitra Ambohimanga – Nirodana ny vato be, tapaka ny lalana
Nisahotaka ny iray tanàna teny amin’ny manodidina an’i Vohitra Ambohimanga, indrindra ireo tao amin’ny fokontany Ambodiala, raha nahita ny vato be nikodiadia avy eny amin’ny 200 metatra niala teny amin’ny nisy azy, ary nihazo izany fokontany izany. Trano iray tety ambany no saika niantefan’izany vato izany, saingy tafajanona izy io rehefa 10 metatra tsy hahazo ny trano. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra saingy potika avokoa ny zavatra rehetra izay nolalovan’izany vato be izany, indrindra ireo ala. Ny alarobia atoandro teo no nisehoan’izany ary vokatry ny ora nikija no nahatonga izany. Ary mety ho zava-doza no hitranga any an-toerana raha mitohy tsy ankijanona ny orana, manoloana ireo vato maro be eny ambony eny nefa ny tany efa malemy, hoy ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Mba hisorohana ny loza mety hitranga mandra-pahatonga ny mpamaky vato dia nanapa-kevitra ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanga Rova nanapaka ny lalana mandalo ny lapan’ny tanàna mihazo ny fokontany Ambodiala.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







