Kopi kolé 2016 – Mpanohana ihany koa ny Orange Madagascar
Mpanohana ny fandaharana « Kopi Kolé 2016» ihany koa ny orinasa Orange Madagascar, amin’io hetsika izay karakarain’ny Tv plus Madagascar io. Omaly, no nanaovana ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny filoha jeneraly roa tonta, Nicolas Rabemananjara sy Michel Barré, teny amin’ny Tour orange Ankorondrano ary narahina fifanolorana fanomezana. Efa mahasahana ny tontolo mpitia zava-kanto ny Orange Madagascar, ary ity fanohanana ity natao dia hitondra fiovana satria tafiditra ao anatin’ny foto-kevitra « Ala voly ». Izy rahateo efa mitarika zavatra maro mba ampiroboroboana ny kolontsaina eo amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena.
Ny hampiavaka an’ity andiany faha-efatra ity, araka ny fanazavan’ny filoha jeneraly ny Tv plus Madagascar, Nicolas Rabemananjara, dia hisokatra ho an’ny faritany enina ny fandaharana, ankoatra an’i Mananjary sy Antsirabe. « Hisy ny famaranana kely isaky ireo faritra ireo ary aty an-drenivohitra kosa no tanterahina ny famaranana lehibe. Hanana anjara lehibe ihany koa ireo artista alain’ireo ankizy tahaka satria tombontsoa ho azy ireo izany. Ary ankoatra ireo izay handrobaka ny amboara dia hahazo fanomezana mitovitovy amin’izy ireo ihany koa ny mpihira alainy tahaka », hoy hatrany ny fanazavana.
Hanomboka ny faran’ny volana avrily ho avy izao ny fifanitsanana ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 9 oktobra 2016. Mpifaninana maherin’ny roa arivo ao anatin’ny faritra enina no andrasana amin’ity andiany faha-efatra ity.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







