Vous êtes ici :

Mercredi 17 Décembre 2025

ombre

Kolikoly avo lenta – Nokasain’ny polisy tazomina ny omby raha tsy manome vola

Mbola manjaka ny kolikoly eto Madagasikara, indrindra eny anivon’ny fitandroana ny filaminana. Omby manana taratasy ara-dalana, nefa nokasain’ny polisy tsy omena ny tompony, raha tsy manome vola azy ireo. Talanjona ireo tompon’omby tamin’ny fihetsik’ireo mpitandro filaminana manoloana ity trangan-javatra ity. Araka ny loharanom-baovao marim-pototra dia lasan’ny dahalo ny omby miisa 2 tamin’ny tanàna iray, tany ambanivohitra Tsiroanomandidy ny herinandro lasa teo. Nisy ny fanarahan-dia natao rehefa nampandrenesina ny mpitandro filaminana ka tafaverina ihany ireo omby ireo fa kosa najanona tao amin’ny polisy.

Rehefa hanao ny taratasy hitondrana ireo omby kosa ny fokonolona dia nila vaniny ireo polisy ka nasainy nandoa vola efatra hetsy ariary ny tompon’omby raha tsy izany dia azoniny ny fananan’ireto farany. « Gaga ny olona hoe làlana avy aiza izany ? Ny aina efa reraka, ny vola lany natao vatsy. Nefa mitovy amin’ny vidin’ny omby iray io vola angatahana io », hoy hatrany ny loharanom-baovao.

Manoloana izany dia nitaraina teny amin’ireo olom-boafidim-bahoaka tany an-toerana ireo tompon’omby. Ary raha tsy nandray andraikitra ny ben’ny tanàna sy ny solombavambahoaka dia tsy azo mihitsy ny omby.

L .N

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre