Vous êtes ici :

Mercredi 04 Février 2026

ombre

Fandrobana anaty fiara – Tsipazan’ireo jiolahy bibilava ny lasibatra

Tsy mitsahatra manita-kevitra hanantanterahana ny asa ratsiny ireo jiolahy. Fomba fiasan’izy ireo indray amin’izao ny mampihorohoro ny olona amin’ny alalan’ny bibilava, indrindra ireo mandeha fiara manokana. Fiara mijanona eny amin’ny sisin-dalana sy tavela ao anaty fitohanana no tena lasibatra amin’izany. Jeren’izy ireo tsara ny ao anaty fiara sy karazan’olona mitondra izany dia arakarakara ny ao anaty fiara no hanipazany ny bibiliva. Efa maro ireo tratra teto an-drenivohitra. Vao tamin’ity herinandro ity izao nisy tranga niseho farany teny 67ha. Atsipin’ireo jiolahy avy eo amin’ny varavaram-pitaratra mivoha kely ny bibilava dia mahita izany ny ao anaty fiara, indrindra ireo matahotra ity biby ity dia misahotaka ary misy mihitsy ireo mivoaka ny fiara.

Amin’izay indrindra anefa ireo jiolahy no manararaotra mitsofoka ao anaty maka izay ilainy. Ohatra iray ilay tranga niseho teny amin’ny 67 ha, ka lasa noho izany ny kitapo misy antontan-taratasy, ny « tablette », ny finday sy ny lelavola. « Mila mailo ny olona amin’izao fotoana izao fa tena tsy kely lalana ireo mpanao ratsy. Ary kendreny amin’ny tsy ampoizinao ianao. Lasa avokoa ny ahy ny vola sy ny finday ary antontan-taratasy maromaro. Ny tampoka tsy maha lehilahy e ! », hoy i Théophile, izay lasibatra teny amin’ny 67 ha.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre