Vous êtes ici :

Vendredi 19 Décembre 2025

ombre

Asa fanaovan-gazety – Misy foana ny faneriterena

Sarotra ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety, misy foana mantsy ny faneriterena amin’ny fahalalahan’ny mpanao gazety amin’ny famitana ny asany antsakany sy andavany. Manaporofo izany ny nahazo ireo mpanao gazety namana tany Mahajanga, ny harivan’ny alarobia lasa teo, manoloana ny lozam-pifamoivoizana nahazo ny fiaran’ny manamboninahitra iray. Araka ny vaovao voaray dia nivarina tany anaty hantsana manoloana ny « Sunny hôtel » eny Amborovy, izany fiara izany raha nikasa hitsena minisitra. Rehefa tonga teny amin’ny toerana nisian’ny loza anefa ireo mpanao gazety hanao ny asany, mba hanangom-baovao, dia  roaka alika no nanaovan’ireo zandary nanao ny fizahana azy ireo amin’ny filazana hoe « tsy azo avoaka vaovao io ». « Na ny sary na ny feo dia tsy azo nalaina avokoa, eny na ireo nanatri-maso ny loza aza tsy azo nanaovana fanadihadiana ary norahonana tsy mahazo miteny », araka ny loharanom-baovao. Tsy nisy noho izany ny fomba nahalalana ny antony nahatonga ny lozam-pifamoivoizana.

Nilaza ihany koa ireo nanao ny fizahana fa tsy nisy ny aina nafoy na naratra tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity, kanefa vehivavy roa tao anatin’izany fiara izany no hitan’ireo teny an-toerana fa naratra  dia nafenina. Ny « garde de corps » sy ny mpamily ihany no tsy naninona. Nahasorena ny mpanara-baovao sy ny mpanao gazety ity fihetsika nasehon’ireto mpitandro filaminana ireto. Ary mipetraka ny fanontaniana hoe rehefa inona no azo avoaka ny vaovao mahakasika ireo manamboninahitra mamao-doza noho ny tsy fitandremana ireo ?

 

L. N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre