Paska anaty fitaintainana
Lasa aloha ny fetin’ny paska tamin’ity taona ity ary hankalazaina rahampitso. Mampiavaka azy ihany koa ny fihitaran’ny faran’ny herinandro sy ny andro tsy fiasana satria mifanaraka amin’ny fetin’ny 29 martsa ka lasa amin’ny alarobia vao hiditra hiverina hiasa ny mpiasa rehetra. Fety kristianina ny paska ary mampatsiahy ny fototra iorenan’ny kristianina dia ny fandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana ka nitsanganany tamin’ny maty tamin’ny andro fahatelo. Fotoana ihany koa ifamelan-keloka sy iovana fo ary ibebahana ka hanariana ny ratsy sy ny disadisa rehetra. Izany hoe fanetren-tena sy finiavana hampanjaka ny fitiavana sy ny finoana ary ny fanantenana no tena iorenan’ny paska.
Eto Madagasikara anefa, indrindra eto Antananarivo renivohitra dia feno fitaintainana ny fandraisana ity faran’ny herinandro lava be ity. Misy tokoa mantsy ary tsy honohono fa mpitandro filaminana no nilaza azy fa mety hisy korontana. Voalaza fa misy andian’olona mikasa hanao hetsika fitokonana sy fitakiana eo amin’ny kianjan’Ambohijatovo na dia tsy nahazo alalana hanao izany aza. Voalohany amin’ireny ireo olona miady tany izay mitaky ny zony nefa tsy mahita rirany eo anivon’ny sehatra ara-dalàna ka mitady ny fomba hanerena ny mpitondra handray andraikitra. Sarotra sy manahirana ity resaka tany ity satria ny andaniny mifantoka amin’ny resaka ara-dalàna, ny ankilany mifikitra amin’ny rariny sy ny hitsiny.
Mazava ny toerana misy ny mpitandro filaminana fa dia ny manao izay hampanjakana ny lalàna manan-kery sy misoroka ny mety hisian’ny korontana no tanjona. Tsy nahazo alalana izay rehetra mikasa hanao hetsika eo Ambohijatovo amin’ity faran’ny herinandro ity dia ho ravana ary ho samborina raha toa ka manao fihetsika mahery. Matetika anefa dia ny fanakanana ataon’ny mpitandro filaminana hatrany no mahatonga ny fifandonana satria mahatsiaro tena ho voailikilika ny vahoaka madinika ka lasa manao ny tsy tokony hatao amin’ny alalan’ny setrasetra sy toratoraka izay miteraka fanohintohinana ny filaminam-bahoaka.
Ny tsy famelan’ny fitondram-panjakana ny vahoaka hiteny sy hitaky izay heveriny fa rariny sy hitsiny anefa no tena mahatonga izany disadisa rehetra izany. Hatreto aloha raha ny fantatra dia mila alalana ny fanaovana hetsika na fivorivoriana maka endrika politika na fitakiana eto an-drenivohitra. Fanomezan-dalàna miisa roa mifameno mantsy no tsy maintsy eny am-pelantanan’ny mpikarakara hetsika vao mahazo manao fivorivoriana. Voalohany amin’izany ny avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ary faharoa kosa an’ny prefektioran’ny polisy. Matetika ny kaominina dia manaiky tsy misy rahoraho ny fangatahana hanao hetsika ary manome ny sonia sy ny tombokase hahafahana manao hetsika. Ny prefektiora kosa anefa dia tsy mety manome fahazoan-dalana hanaovana hetsika eto an-drenivohitra mihitsy na dia efa manome antoka fa hanaja ny fepetra rehetra tsy hisian’ny fihoaram-pefy aza ireo mpanao fangatahana.
Ny fihetsiky ny mpitondra toy izany no mahatonga ny vahoaka hihevitra fa tsy misy ny demokrasia sy ny fahalalahana haneho hevitra. Maro rahateo ireo mpanao politika no mahafantatra tsara ny lalàna sy ny fepetra rehetra tokony harahina raha hanao hetsika ka mahita fa tsy an-drariny ny zava-misy ka mahatonga azy ireo, ihany koa, hanao di-doha tsy maintsy hitarika vahoaka hidina haneho hevitra eny an-dalambe. Ny 29 martsa izao dia maro amin’ireo mpanao politika mifantoka amin’ny foto-kevitra tia tanindrazana no milaza fa tsy hanaiky ary tsy maintsy ho eny Ambohijatovo sy Analakely na dia eo aza ny fandrarana ataon’ny mpitandro filaminana. Misy risika hisian’ny fifandonana anefa izany ka ny vahoaka izay mihevitra ny hanao faran’ny herinandro lavalava am-pifaliana indray no lasa mitebiteby sy mitaintaina sao sanatria misy savorovoro eto afovoan-tanàna. Lasa paska anaty fitaintainana ity indray mitoraka ity nefa irariana ny mba ho paska hieren-doza.
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







