Vous êtes ici :

Jeudi 18 Décembre 2025

ombre

Sambava – Voairaka mangalatra lavanila ny zaza tsy ampy taona

Mitohy hatrany ny firongatry ny halatra lavanila tsy matoy any amin’ny faritra Sava. Fantatra amin’izao fotoana izao fa ireo ankizy tsy ampy taona no irahin’ireo patrao mangalatra izany.

Tratran’ny zandary nitondra lavanila halatra, ny tovolahy iray 16 taona, tamin’ity herinandro ity tany amin’ny kaominina Nosiarina, distrikan’i Sambava.  Hay tamin’ny fanadihadiana natao azy fa misy patrao mampaniraka azy mandeha mangalatra sy mividy aminy 8 000 ariary ny kilao. Tsy nety nilaza ny anaran’ilay mpampaniraka sy ny toerana nangalarana ireo lavanila kosa ilay tovolahy.

Notazomina avy hatrany ao amin’ny biraon’ny zandary izy ary mitohy ny fanadihadiana. Tena ho simba ny tsenan’ny lavanila raha izao trangan-javatra miseho any Sambava izao no mitohy. Ankoatra ny kalitao izay efa miharatsy dia ho potika tanteraka ihany koa ny lazan’i Madagasikara.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre