Ankazobe – Lasan’ny dahalo ny omby 20 isa
Nisehoana halatr’omby indray tany amin’ny distrikan’Ankazobe, ny 24 martsa lasa teo. Dahalo tsy fantatra isa no tonga nanafika ny tanànan’Antanetibe sy Ampanokely, tany amin’ny kaominina Andranonoely. Nipoapoaka ny feom-basy nampihorohoro ireo fokonolona nandritra ny fanafihana sy tamin’ny fotoana nivoahan’ireo dahalo ny tanàna. Fampitahorana izay tena nandaitra tokoa. Andaniny, samy namitsaka tao an-tokantranony avy ny mponina vao naheno ny poa-basy, ankilany, nigalabona ireo mpangalatra naka sy nanesy ireo omby nivoaka ireo tanàna roa ireo. Lasa tamin’izany ny omby 20 isa. Efa lasa lavitra ireo malaso vao sahy nampandre ny mpitandro filaminana ny fokonolona ka natao avy hatrany ny fanarahan-dia taorian’ny fizahana. Omby miisa 6 no latsaka teny an-dalana fa tsy tongan’ny dahalo. Efa natolotra ny tompony ireo. Mitohy ny fanarahana ny dian’omby mizotra makany amin’ny kaominina Morafeno, distrikan’i Maevatanana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







