Tahirim-pirenena – Nitondra fanampina ho an’ireo tra-boina
Nitondra ny anjara birikiny ho an’ireo malagasy mpiray tanindrazana aminy ny fianakaviam-ben’ny Tahirim-pirenena, ho fanampiana ireo tra-boina manerana ny nosy na ireo tratran’ ny haintany, na ireo tratran’ ny rivo-doza izany. Niara-nirodorodo tetsy amin’ny foiben-toeran’ny Bngrc Antanimora ny toniam-pitantanan’ny Cnaps izay notarihan’i Bruno Raobijaona, Talen’ny fitantanana ny maha olona. Nambarany fa « tsy mitazam-potsiny ny mpiasan’ny Cnaps manoloana ireo sahirana nohon’ny loza voajanahary eto Madagasikara, fa isan-taona dia misy hatrany ny fandraisana anjaran’ny tsirairay. Ny fanaovana asa sosialy toy izao dia tsy anjaran’ny mpiasan’ny Tahirim-pirenena aty amin’ny foibe aty Ampefiloha ihany fa miara-mientana avokoa ireo tendro 21 sy ny masoivoho 18 any amin’ny faritra ». Araka izany dia lelavola mitentina 3.883.700 Ariary, niampy akanjo 10 baoritra ary vary amin’ny gony no natolotra ny Bngrc omaly. Nanome toky ny sekretera mpanatanteraka eo anivon’ity mpiahy ny tra-boina ity fa ho tonga any amin’ireo mpiray tanindrazana voakasika ny fanoloran-tanana manerana ny nosy ireo fanampiana azo rehetra ireo.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







