Andranofeno Atsimo – Namboly hazo azo avadika ny Meetfp
Manan-karena amin’ny lafiny tontolo iainana i Madagasikara ary manana adidy aman’andraikitra hikarakara izany ny olona satria mila miaina ao anaty tontolo voakajy sy rivotra madio ny tsirairay. Noho izay antony izay dia nanantanteraka fambolen-kazo tany amin’ny vohitra iombonana, any Andranofeno Atsimo ny ministeran’ny Fananan’asa, ny fianarana tekinika ary ny fiofanana araka asa, omaly zoma 25 martsa. Zanaka hazo kininina manitra na kininina oliva (eucalyptus citriodora) miisa 2 500 fototra no novolen’ireo mpiasan’ny ministera tamin’izany. Nosafidiana manokana io toerana io, noho izy misy ny ivon’ny fiofanana araka asa an’izany ministera izany. Notsongaina ihany koa ity hazo ity noho izy azo avadika ho « huile essentiel » mba hanaovan’ny mpianatra mizatra asa sy resaka fambolena.
« Natao izao fambolen-kazo izao mba hanasoavana ny fiainan’ny mponina Andranofeno Atsimo. Mametraka zavatra mikasika ny fambolena aty ny ministera mba hampivadiana amin’ny tolotra atao amin’ny ivon’ny fiofanana araka asa, mba hahafahan’ny mpianatra sy mpampianatra mikarakara ity toerana ity », hoy i Benjamina Ramarcel Ramanantsoa, minisitry ny Fananan’asa, ny fianarana tekinika ary ny fiofanana araka asa. Tafiditra ao anatin’ny fikaonan-doha iraisam-pirenena faha-21 (Cop21) momba ny ady atao amin’ny fiakaran’ny hafanan’ny tany sy ny fampandrosoana maharitra (Odd) ity fambolen-kazo notanterahan’ny ministera ity, mba hananan’ny besinimaro fahalalana momba ny tontolo iainana, indrindra fa ny momba ny hazo.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







