Sotema Mahajanga – Nirehitra ny botika Jovenna, fiara roa kila firehitra
Saika zava-doza no nitranga teny amin’ny fokontany Antanambao Sotema, any Mahajanga, tamin’ ny tobin-tsolika Jovenna, omaly maraina, vao mangiran-dratsy. Nirehitra ny trano fivarotan’izany toerana izany, tokony ho tamin’ny 5 ora mahery 20 minitra tany ho any. Tsy fantatra izay nahatonga ny afo fa efa izy niredareda avy ao anatin’ilay fivarotana no tsikaritry ny mpiambina ilay toerana. Na ireo pompista telo lahy aza tsy naheno na inona na inona fa mbola ilay mpiambina no namoha azy ireo tamin’ny torimasony, ka teo vao nikoropaka ny rehetra ary nanao vonjy taitra ny manodidina.
Nifandrimbona nanampy ireo mpiasa teo amin’ny tobin-dasantsy ny fokonolona avy eo nanakisaka ireo fiara maromaro izay niantsona teo antokontanin’ny Jovenna. Telopolo minitra taorian’ny antso an-tariby kosa vao nigadona handeha hamono afo ireo mpamonjy voina eo anivon’ny kaominina, izay tena nampimenomenona ny olona satria efa tara loatra. Vokany, fiara roa, marika Renault Super 5 sy Mercedes anisan’ireo niantsona teo no may kila ary ireo vata fampangatsiahana maromaro tao anatin’ny trano fivarotana, izay nipoiran’ny afo.
Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana fa na izy ireo ary tsy namaritra mazava ny nahatonga ny loza, araka ny loharanom-baovao. Misokatra ny fanadihadiana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







