Vous êtes ici :

Samedi 06 Décembre 2025

ombre

Niseho ny nafenina !

Nahita maso ny toetry ny lalana manerana an’i Madagasikara ny mponina eto Antananarivo nandritra iny faran’ny herinandro naharitra hadimiana iny. Tsy eto an-drenivohitra irery ihany kay no feno lavaka sy ranom-potoka ny arabe fa any amin’ny lalam-pirenena rehetra ihany koa. Nitomany tena izay fiara kely ivaiva sy kely vovokaina ary nisy niverim-potsiny mhitsy raha nikasa handeha hiala sasatra any amin’ny faritra satria tena misy ampahan-dalana tsy azo aleha raha tsy fiara tsy mataho-dalana na fiarabe fitaterana. Tena simba ny lalana eto Madagasikara ary raha nisy angamba ny fanasokajiana maneran-tany dia inoana marimarina fa hitana ny rambony indray isika.

Tsy azo hadinoina anefa fa anisan’ny fampanantenain’ny Filoham-pirenena ankehitriny tamin’ny praopagandy, fony izy nilatsaka hofidiana ho filoha ny fanaovana laharam-pahamehana ny fanamboaran-dalana vaovao sy ny fikojakojana ny efa misy. Tsy izay anefa no nitranga satria ny vaovao tsy misy fanombohana ary ny efa teo simba avokoa. Ho lany andro amin’ny fanarenana ny simba fotsiny ny fitondram-panjakana raha toa ka hanao izany ary tsy hanam-potoana hanokafana lalam-baovao mampitohy ny isam-paritra intsony. Raha tena hiasa mantsy ny minisiteran’ny asa vaventy dia tsy maintsy ny hanarina ireo lalana simba ireo aloha no tokony ho laharam-pahamehana. Raha tena misy izany dia ho lany amin’ny fanarenana fotsiny ity taona 2016 ity. Izany hoe any amin’ny taona 2017 any ho any vao afaka tena hanomboka ny asa fanamboaran-dalana vaovao ny fitondram-panjakana, raha hanao.

Anisan’ny voka-dratsy nateraky ny haratsian’ny lalana ny fahamaroan’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ireo lalam-pirenena nandritra iny fetin’ny paska iny.  Ekena fa nisy ny tsy fitandremana tamin’ny mpamily izay tsy nahafehy ny alikaola ny sasany nefa kosa rehefa tena zohina dia azo nosorohina tsara avokoa ireo loza nitranga rehetra. Tsy mety eken’ny saina mihitsy ny nandre ilay fiara kely saika hiditra teo amin’ny tetezana iray amin’ny lalam-pirenena faha-4 izay tsy tafiditra fa latsaka tany anaty rano ka namoizana aina fianakaviana kely iray. Na inona na inona antony dia tsy tokony hitranga ny loza toy izany raha manara-penitra ilay fotodrafitrasa. Tokony misy ireny fampihenana ny hafainganam-pandehan’ny fiara ireny raha hiditra ilay tetezana, tokony ho voafefy tsara eo anoloan’ilay tetezana mba hisorohana ny mety hilatsahan’ny fiara any anaty rano. Zavatra kely sy tsotra izany nefa tsy vitan’ny tompon’andraiki-panjakana ny mametraka azy. Ain’olona anefa no afoy.

Soa ihany fa tena niasa ny mpitandro filaminana ary tena noderain’ny mpampiasa lalana manokana ny fihetsika nasehon’izy ireo. Nanao ny asany tamim-pifaliana sy tamin’ny fomba matihanina tanteraka ny zandary ka nahavita nampihena ny loza mety hitranga. Hita nisongadina izany tamin’ny lalana rehetra mivoaka ny tanàna ka na ny fitohanana lavareny toy ny isan-taona mandritra ny fetin’ny paska aza dia nihena fa tsy toy ny mahazatra. Na izany aza misy ihany ireo mpamily sy mpampiasa lalana mbola manao toe-tsaina olondia ka tsy miraharaha izay fandaminana natao ka ireny no niteraka ny fitohanana tsindraindray. Mbola raiki-tampisaka amin’ny ankamaroan’ny malagasy marivo salosana sy ambany fisainana rahateo ilay toe-tsaina mivaro-lavo amin’ny fimamoana tafahoatra rehefa fety ka ireny no niteraka savorovoro madinidinika tetsy sy teroa ary niteraka lozam-pifamoivoizana izay tokony ho azo nosorohina ihany koa.

Niharihary nandritra iny fetin’ny paska iny fa afaka mitondra vokatra tsara ny mpitandro filaminana rehefa tena miasa ary manao amin’ny fo sy saina ary am-panetren-tena sy am-pitiavan-tanindrazana ny asa nankinin’ny firenena tamin’izy ireo. Niseho ihany koa anefa fa mbola maro ny malagasy no mivarilavo amin’ny zava-pisotro mahamamo ka mampiseho toetra tsy mendrika eny imasom-bahoaka. Mbola hitam-poko hitam-pirenena ihany koa fa simba tanteraka ny lalana rehetra eto Madagasikara.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre