Vous êtes ici :

Samedi 06 Décembre 2025

ombre

Ampitatafika – Asian’ny tanora menaka rongony ny sigara

Mihatsara tahaka izay hita amin’ny kaominina rehetra ny fandriam-pahalemana eny Ampitatafika. Olana kely ny fahabetsahan’ny mpivarotra rongony, araka ny filazan’ny ben’ny tanàna voafidy teny an-toerana, Rado Ramparaoelina. Mahazo vahana tanteraka ny fidorohana ity zava-mahadomelina ity eny an-toerana, indrindra eny amin’ny fokontany Avaratetezana, izay vao miditra ny tanàn’Ampitatafika ary ireo tanora no tena roboka amin’izany. « Ireo ankizy tanora no lasibatra amin’ny fidorohana rongony. Misy amin’ireo àry manisy menaka rongony amin’ny sigara fohany. Feno baorika sigara misy rongony avokoa eny amin’ny tsena rehetra eny. Ary tsy zakan’ny saina izany ka mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana eny Ampitatafika », hoy ny ben’ny tanàna. Manoloana izany anefa dia mbola tsy misy mihitsy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitandro filaminana fa miasa irery ny kaominina hatramin’izao, hoy hatrany ny fanazavana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre