Sonierana Ivongo – Zandary maty voatsindron’antsy
Tsy tana intsony ny ain’ilay zandary fa maty teo no ho eo, taorian’ny tsindron’antsy nihatra taminy. Antony nahatonga izany ny fanasarahana olona niady, araka ny vaovao voaray. Tany Soanierana Ivongo ity tranga ity ny andron’ny alatsinainin’ny paska teo. Am-perinasa tanteraka sady teo am-panaovana ny asany ary tena vao erotrerony tokoa izy izao niharan-doza izao. Nisy olona roa sendra niady tany amin’ny « la piscine » tao Menatany tamin’io fotoana io. Tsy fantatra mazava izay nahatonga ny ady fa niasa teo akaiky teo izy no nantsoin’ny olona nanatrika mba hanasaraka ireo niady. Niezaka nanelanelana izy rehefa tonga teo saingy izy indray no voan’ny antsy teny an-tananan’ireo mpifanandrina. Maty tsy tra-drano izy satria voa teo amin’ny kibony sy ny feny. Niezaka nitondra azy tany amin’ny hopitaly ireo nanatri-maso ny loza saingy tsy nisy aina intsony vokatry ny fahaverezan-drà be loatra. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fizahana natao. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana kosa ireo nahavanon-doza.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







