Leadership chretien development – Hibanjina sy hizotra amin’ny fampandrosoana
Fikambanana iray mamoha ireo mpitarika orinasa kely madinika manana andraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny tany sy firenena malagasy ny Leadership chretien development (Lcd). Ny tanjona dia manangona ireo mpitarika rehetra eto Madagasikara mba hifanampy sy hifanome tanana ary indrindra hibanjina sy hizotra amin’ny fampandrosoana amin’ny fananana hiombom-po sy hiraisana ary hanambatra ny hery rehetra amin’ny sehatra maro lafy. Tafiditra amin’izany ny ara-kolontsaina, ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana mba handresena ny fahantrana.
Manana tetik’asa hanorina toby sy ivo-toerana ahafahana miserasera ny fikambanana Lcd mba hahatongavana amin’izany izay ahafahana mahazo antontan’isan’ireo mpikambana sahirana ao anaty fikambanana. Hanao tobim-bola izay mizotra avy hatrany amin’ny fanantontosana ny harin-karena ihany koa ny Lcd. « Rehefa voatambatra ny ara-bola, ara-tsaina ary ara-pahaizana dia mizotra amin’ny atrik’asa avy hatrany. Ny harin-karena izay fanandratana ny fananana sy fampitomboana sy famerana ny vola miditra sy mivoaka. Raha voalanjalanja mantsy ireo dia matanjaka ny isan-tokantrano satria ny vola tokony hivoaka lasa tahiry ampiasaina amin’ny atrik’asa na amin’ny filana izany na amin’ny fandaniana », hoy i Rajoelison Herilala, filoha ny Leadership chretien development. Marihina fa mijoro ara-panjakana ny fikambanana Lcd.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







