Toliara – Vehivavy maty notifirin’ny miaramila
Vehivavy iray no maty tsy tra-drano notsenain’ny miaramila tamin’ny tifitra variraraka, tany amin’ny fokontany Tongobory, kaominina Toliara I ny 25 martsa lasa teo, tokony ho tamin’ny 2ora tolakandro. Miaramila « sergent chef » miasa ao amin’ny toby miaramila Rm5 any an-toerana ity nahavanon-doza ity.
Araka ny vaovao voangona dia notsenain’ity miaramila ity tamin’ny tifitra ilay vehivavy. Tsy fantatra izay antony ary tena tsy nampoiziny fa teo am-pivoahana ny tranony indrindra izy no voa.
Voalaza fa bala telo amin’ny 7.62 mm no niditra teo amin’ny kibony amin’ny ilany havanana ary nivoaka tamin’ny ilany havia. Vokany, nivoaka ny tsinainy ary izao nitarika azy any amin’ny fahafatesana izao. Niezaka nitondra azy tany amin’ny hopitaly ihany ny fianakaviany fa tsy tana intsony ny ainy. Tokony ho tamin’ny 6 ora hariva tany ho any izany.
Fantatra fa efa nitolo-batana tany amin’ny lehibeny ilay nahavanon-doza ary nesorina taminy ny basin’ny kaompania. Notazomina any amin’ny borigady ihany koa izy ary efa mandeha ny fanadihadiana azy.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







