Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Lalànan’ny asa – Zo fototra ny fiahiana ara-tsosialy

Antananarivo indray no nampiantrano ny atrikasa fampiofanana nokarakarain’ny Cnaps, taorian’i Betroka. Ventin-kevitra tamin’izany ny fahalalana momba ny adidin’ny mpampiasa sy ny zon’ny mpiasa. Notsiahivina nandritra ny atrikasa fa maro ny asa sahanin’ny tahirim-bolam-panjakana. Isan’izany ny fitantanana ny latsakemboky ny mpampiasa sy ny mpiasa ho lasa fanampiana ara-tsosialy, ny fanaraha-maso ny didy aman-dalàna ary ny fampiofanana fanentanana ny rehetra fa zo fototra ny fananana fiahiana ara-tsosialy.

« Mampalahelo tokoa ny mahita ny olona very zo rehefa antitra vao taitra fa tsy mandray fisotroan-dronono. Fony mbola tanora anefa tsy niraika ny hanara-maso sy hijery na voaloa na tsia ny latsakemboka» hoy Rémi Henri Botoudi, Filohan’ny filan-kevim-pitantanan’ny Cnaps. Koa nentaniny ny mpiasa hitaky ny zony dieny izao am-perin’asa izao. Namporisihiny ihany koa ny mpampiasa mba hiaro ny zon’ny mpiasa. Eo ny fandoavana ny latsakemboka fa nasiany tsindrim-peo ihany koa ny amin’ny fiarovana ny mpiasa amin’ny loza raha am-perin’asa sy ny fahasalamana eo anivon’ny orinasa. Ny mpiasa salama sy milamin-tsaina no afaka mamokatra sy manodina ny orinasa.

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre