Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Lalana Anosizato-Ampasika – Lasan’ireo mpangalatra hatramin’ny « panneau solaire »

Potika tanteraka ny toe-tsaina maha malagasy. Potehin’ireo olon-dratsy indray ny jiro natao hanazava ny lalana sy ny tanàna. Tsikaritra amin’izao fotoana izao fa mihafongana tsikelikely ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro napetraka eny amin’iny lalana digy iny. Raha ny bateria ao ambany tany misy ny andrin-jiro foana no alain’ireo jiolahy hatramin’izay dia fantatra izao fa efa lasa hatramin’ny “panneau solaire” eny ambony indray izany. Tsy hay hoe amin’ny fomba ahoana no angalana azy fa raha ny hita teny an-toerana dia efa mahatratra enina no lasan’i ireo mpangalatra raha ny eny amin’ny lalana mampitohy an’Anosizato sy Ampasika iny.

Tokony  hisy ny fandraisana andraikitr’ ireo manam-pahefana dieny izao manoloana ity trangan-javatra ity fa tsy andrasana ho tapitra maizina tanteraka iny lalana iny vao hikoropaka izay  mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana.

 

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre