Fahitana faty olona – Lehilahy roa hita tsy nisy aina intsony
Tena maloka ity herinandro ity ho an’ny fianakaviana maromaro na teto an-drenivohitra izany na teny amin’ny manodidina, eny na tany amin’ny faritra aza tamin’ny famoizana ain’ny havana akaiky. Tao ireo maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana ary tao ireo natelin’ny rano. Nisy ihany koa ireo nindaosin’ny fahafatesana tsotra izao. Toy ny nahazo ny raim-pianakaviana iray 56 taona, teny Ankandrina Soamanandrariny. Ity farany izay hita faty nitsirara teo amin’ny tatatra hiditra ny trano fonenany, ny talata lasa teo, tamin’ny 6ora sy sasany hariva. Olona sendra nandalo no nahita ny razana ka nampandre avy hatrany ny fianakaviana. Nampilaza ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo hanao ny fizahana amin’izay ireto farany. Fantatra tamin’ izany fa fahafatesana voajanahary no nahazo azy.
Hita faty tao an-tranony ihany koa ny raim -pianakaviana iray 38 taona, ny talata lasa teo ihany fa tamin’ny 11ora sy 30 minitra atoandro kosa indray, teny Volatara Andoharanofotsy. Mety nahatonga izao fahafatesany izao ny olana ara-tokantranony, araka ny filazan’ny manodidina.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







