Akon’ny paska teto Analamanga – Olona telo matin’ny lozam-pifamoivoizana
Toy ny miseho isan-taona amin’ny fankalazana ny fetin’ny paska dia misy foana ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Nahatratra 785 ireo fiara nanaovana fisavana nandritra iny roa andro nankalazana fety iny ka 10 ireo tratra nandika lalana ; 15 ireo nahazo “contravention”; 24 ireo tratran’ny lozam-pifamoivoizana ; 12 ireo nila vonjy teny an-dalana teny ary 662 kosa ireo nahazo fampitandremana, araka ny antontan’isa navoakan’ny Cirgn Analamanga. Olona telo no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana hatrany ary 42 isa kosa no naratra teto an-drenivohitra sy ny manodidina, noho ny tsy fitandremana nateraky ny alikaola hatrany.
Raha ny antontan’isa mivoaka isan-taona mandritra ny fankalazana ny paska tahaka izao dia azo lazaina ho nirindra ihany ny fety raha ny zava-nisy teto an-drenivohitra.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







