67ha – Tovolahy voavely « bois rond »miady aina mafy
Tovolahy iray 32 taona eo ho eo no tsy hay na ho faty na ho velona, vokatry ny vely “bois rond” nihatra taminy,teny 67 ha, ny marainan’ny talata lasa teo. Handeha hanatitra vola amin’ny mpampiasa azy izy sy ny tovovavy iray mpiara-miasa aminy tamin’io fotoana io satria mpitantam-bola ao amin’ny trano fandraisam-bahiny iray eny an-toerana izy. Vao tonga teo amin’ny elakelan-trano hihazo ny tranon’ny mpampiasa azy ireo anefa izy ireo dia nisy andian-jiolahy miisa 3 efa niandry azy ireo ary namely azy avy hatrany tamin’ny “bois rond”. Vaky ny lohan’ilay tovolahy ary torana tsy nahatsiaro tena izy vokatry ny fahaverezan-drà be loatra. Ilay tovovavy niaraka taminy kosa tsy nataon’ireo jiolahy na inona na inona fa iry voalohany no nikiakiaka niantso vonjy rehefa lasa ireo mpangalatra. Lasa tamin’izany ny kahie teny an-tanan’ilay naratra, izay noheverin’ireo olon-dratsy fa nisy vola. Tao anaty “classeur” teny amin’ilay vehivavy anefa ny vola rehetra. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ny naratra fa ahiana kosa ny ainy, araka ny loharanom-baovao.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







