Ny atao no hita !
Asa aloha izay malagasy afaka nandeha nanararaotra iny faran’ny herinandro lavalava teo iny ka nanana ny fahefana mba haka rivo-dranomasina raha manoloana izao fahasahiranana mianjady amin’ny firenena izao. Eritreritra nandeha tokoa izany tamin’ny herinandro nialohan’ilay vanim-potoana kanefa rehefa nozohiana ny tatitra an-gazety omaly dia tena maro dia maro izy ireo. Raha iny lalam-pirenena faharoa mihazo ny faritra atsinanana iny, ohatra, no asian-teny dia tazana hatraty Ambatoloana ny fitohanan’ny fiarakodia, izany hoe ampolon’ny kilometatra, dimy na enina mihitsy izany. Dia azo vinaniana, araka izany ny isan’ny fiara satria raha atao hoe mandeha mafimafy aza dia mbola atao adiny iray sy sasany iny toerana iny raha miala avy eto amin’ny renivohitra. Azo sary an-tsaina ihany ny hamaroan’ireo olona anaty fiara rehetra. Fa tsy latsak’izany ihany koa ny lalam-pirenena mihazo ny renivohitra rehetra, toy ny Rn4, ny Rn7 ary ny Rn1. Ilay lalam-pirenena mihazo an’Anjozorobe, tanàna nalaza be izay izy ity. Tato ho ato ihany koa anefa tsy latsa-danja, eny fa na tsy dia misy toeram-pitsangatsanganana mahavariana loatra sy rivo-dranomasina azo antenaina aza tany ho any. Ny talata 29 martsa lasa teo dia kentsona tanteraka ny fifamoivoizana raha vao avy nihininana saosisy sy koba teo Talata Volonondry ny maro. Hany ka na ireo voan-dalana kely voalaza etsy ambony mba saika nentina ho an’ny namana sy ny fianankaviana aza, lany teny an-dàlana ihany ary tsy maintsy nivoaka ny fiara indray hitady mofo gasy sy ramanonaka rehefa tonga teo Anosy Avaratra.
Araka izany, toa diso tanteraka ny filazàna fa sahirana Ramalagasy, na ihany koa hoe mahantra fadiranovana. Diniho kely ange ny fandaniana natao nandritra iny efatr’andro farany teo iny e! Indrindra raha toa ka mba hanararaotra haka rivo-dranomasina ny tena, hiaraka amin’ny fianakaviana. Mazava ho azy fa miainga aloha ary tsy maintsy fenoina solika ny fiara. Fandaniana izay tsy sahin’ny maro atao amin’ny andro tsotra anefa izany. Eny an-dalana dia tsy maintsy … miainga ihany koa ny tsakitsaky isan-karazany arahin’ny zava-pisotro ary tsy azo ialàna ny mividy rano tsotra amin’ireny tavoahangy plastika ireny. Sady natao hosotroina io no hanasana tanana ary koa handemana kely ny loha amin’ny ady atao amin’ny torimaso, indrindra ho an’ny mpamily. Dia mbola resaka sakafo ihany fa ity indray ilay amin’ny atoandro na ihany koa amin’ny hariva. Raisina, ohatra, amin’izany ny eo amin’ireo hotely eo Antsampanana, amin’iny lalana mihazo an’i Toamasina iny. Tsy latsaky ny efatra arivo ny iray lovia. Marina fa matsiro tokoa ny laoka, eo ny hazandranomamy mampalaza io toerana io fa eo ihany koa ny akoho gasy natao rony izay tena be mpankafy tokoa rehefa mandeha lavitra. Rehefa tonga any amin’ny toerana tiana hialana sasatra indray dia mazava fa misokatra bebe kokoa ny poketra satria tsy maintsy hanofa trano amin’ny hotely ary ny ankizy rahateo tsy afaka ampatoriana eny amin’ny arabe. Mazava ihany koa fa ireo efitrano manaraka ny toetr’andro no tena tsara, izany hoe misy irony “climatiseur” na “ventilateur” irony no sady malalaka ihany koa. Mafana kokoa ny andro any amorontsiraka, noho ny eto anivon-tany ka tsy mampihena firy ny maripana izany na be aza ny rotsak’orana. Ilaina, araka izany ny fisotroana rano bebe kokoa ary ho an’ny lehibe dia ilay zava-pisotro mahazatra iny no tena ifanotofona. Dia tonga amin’ilay hiran’ingahy Jaojoby hoe : “mangalà tuyau fa tsy mila vera” ny filan’ireto farany. Raha i Toamasina manokana no resahina dia toy ny tsy tany an-toerana ianao raha tsy mandalo ireo restaurant mpanao lasopy sinoa, misotro ny ranom-boanio eny amoron-dranomasina ary ihany koa milomano kely any Foulpointe. Dia tena … “tataka be ny sakaosy” amin’izay fotoana izay. Tsy hadino ihany koa ny voan-dalana rehefa hody ary raha izay rehetra izay no atotaly dia fotsy sy lasa rano ny vola an-tapitrisany ariary maromaro.
Ka iza àry no milaza fa mahantra ny Malagasy kanefa afaka manao fandaniana toy izany anatin’ny fotoana fohy? Ny azo inoana aloha dia tsy nivarotra tranon-drazana sy tanimbary ireto farany ka nahafahany nanao vakansy tao anatin’ny efatr’andro. Mety hilaza ny maro fa ampahany vitsy amin’ny vahoaka Malagasy no voakasik’ity resaka ity kanefa dia ampahany tsy azo tsinotsinoavina satria izy ireto no nameno arabe ka niteraka fitohanana lavareny teny amin’ny lalam-pirenena maro teny. Izy ireo ihany koa no hita eny amin’ny haino amam-jery rehetra eny rehefa mba misy fanadihadiana mikasika ny toe-karena sy ny resaka politika. Araka izany, tsy afa-miafina eo imason’ny maro fa misy ary maro no manan-katao amintsika Malagasy kanefa tsy vonona mihitsy hanome tànana ireo izay fadiranovana.
Jean Luc RAHAGA
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







