Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Raharaha tsy manjary !

Hanitsaka sahady ny volana aprily isika manomboka anio hany ka maro no mamisavisa ny asa vitany nandritra iny telo volana voalohany amin’ity taona ity.

Ho an’ny mpianatra any amin’ny sekoly ambaratonga fototra, faharoa ary fahatelo manokana  ka arindra kely ny fomba filaza tamin’ny andron’ny revolisiona sosialista, ny mpanoratra dia iny telovolana iny izany no tena herin’ny taona iray manontolo. Tsara ny maka ny fanapahan-kevitra dieny izao mbola fotoana fialan-tsasatry ny paka izao amin’ny tokony hanamafisana ny taranja isan-tsokajiny raha toa ka mahatsiaro tena ho somary osaosa sy tsy naharaka ny fampianarana. Mety ho maro ny antony mahatonga ilay fahosana : eo ohatra ny tsy fahaizan’ny mpampianatra mampita ny fahalalana, hany ka maizina amin’ny ankizy ny lesona. Misy fiantraikany any amin’ny fanatanterahana ny andrana sy ny entimody izany ary marisarisa be ihany ny saina hanakatra ny tian-dramose hazavaina amin’ny tohin’ny fampianarana rehefa tsy vita ara-dalàna ireo. Azadino tokoa ange fa tokony hisy mihitsy ny fifandraisan’ny lesona roa mifanaraka, ka raha toa tsy nety azon’ny mpianatra ny iray voalohany dia vao maika ho kitroka sy aizina miandry azy avy eo. Eo ihany koa ny fanavakavahana ataon’ireo mpampianatra maro ary vitsy dia vitsy izany olona hahavatra hitsinjo ireo tazan’ny maso fa zanak’olona reradreraka eo amin’ny fihariana izany. Ny tena marina aza dia matetika izy ireny atositosika ka vetivety dia tonga … “Lesabotsy”! Etsy andanin’izay, misy fiantraikany be dia be tokoa amin’ny faharanitan-tsaina ny fahampiana na tsia eo amin’ny ara-tsakafo. Ny any ambanivohitra any aloha, aleo tsy dia resahina firy satria mazava fa rehefa vokatra ny vary dia mihinam-bary izay ny olona. Rehefa miakatra ny mangahazo dia io indray aloha no foto-tsakafo “maraina, atoandro, hariva”. Dia toy izany koa rehefa vokatra ny karaoty sy ny ovy, na ny goavy, fotoanany izao, mbamin’ny paoma sy ny paiso. Ny aty an-drenivohitra indray, any an-tsena dia efa mifampidera … taim-by ny ray aman-dreny ka mifantina amin’izay tena lafo sy tsara amin’ny mofo dipaina, ny fromazy maro isan-karazany, ny dibera, ny kaofitira, etsetra etsetra. Raha tonga any am-pianarana avy eo ny ankizy dia tsy tara ihany koa fa mifampidera tsara ny karazam-bola taratasy ary tsy vitsy intsony ny zaza latsaky ny folo taona efa manana …”tim” hividianana gouter! Ilay hoe mitondra mofo avy any an-trano izany aloha dia efa tena nilaozan’ny toetr’andro tanteraka kanefa izany tamin’ny andro fahazazana taloha ho an’ny mpanoratra – izany hoe tamin’ny andron’ny revolisiona sosialista – dia tena midika mihitsy fa ny fianankavian’ny tena dia anatin’ireo sarangan’olona ambony sy manan-kaja. Sao gaga mantsy ny mpamaky fa nisy an’izany anie taloha e! Raha izay ny amin’ny resaka fampianarana dia izao volana aprily izao ihany no manomboka ny fararano, izany hoe fotoana fiakaran’ny voka-bary ka hamaranana ihany koa ny fotoanan’ny maitso ahitra. Faly ny tantsaha fa mba hiaina kely indray ary tapitra hatreo ny sakafo tapa-kibo. Tapitra ihany koa, raha ny tokony ho izy ny orana kanefa raha vao miandrandra kely mijery ny lanitra ny maso rehefa tolakandro iny dia mahita ireto raho-mainty mitatao izay manambara fa tsy maintsy mbola ho dibo-drano ihany indray ary matetitetika aloha ilay renivohitr’i Gasikara.
Izay ny fiaim-piainan’ny mponina raha atao bango tokana fa mba manao ahoana kosa ny an’ireo mpitantana isan-tsokajiny? Mazava ho azy fa mbola tena maizin-kitroka toy ilay lanitr’Antananarivo teo tokoa raha izay fampandrosoana no tenenina. Tena mampiteny ny moana mihitsy ny làlana na an-tanan-dehibe na ambanivohitra, ary tsy misy tanàna izay tsy ahitàna olona mikaikaika amin’ity resaka lalana ity. Tena hita mihitsy fa tsy misy apoaka ireo mpitantana ny renivohitra ary tsy nahavita nandritra izay enim-bolana izay na dia nanototra sy nanamboatra lalana iray metatra aza. Toy izany ihany koa ny famatsiana rano ny mponina izay tena adidin’izy ireo tokoa, hany ka mbola tsy niova loko ny manodidina ireo paompin-drano rehetra misy eto Antananarivo fa mbola ilay mavo adala hatrany – loko azo avy amin’ireo daba na bidon – no tazana ombieny ombieny. Raha ny resaka fitohanan’ny fifamoivoizana indray dia mazava fa tsy nahita vahaolana ireto mpitondra vaovao eto amin’ny tanàna ireto. Vao maraina amin’ny enina dia miaina izany ny mponina ary mila hahalasa adala mihitsy aza satria na efa reraky ny asa nandritra ny ora maro aza dia tsy maintsy miaritra mandritra ny ora maro ihany koa ao anatin’izany fitohanana izany.
Izay no azo ilazana fa tsy nisy raharaha izay nanjary nataon’ireto farany nandritra izay fotoana ela be izay kanefa ny mpianatra niditra niaraka tamin’izy ireo aza, na ihany koa ny mpamboly dia efa samy hiandrandra izay nafafiny avokoa.

Jean Luc RAHAGA

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre