Tetik’asa Miavotra – Fanomezana ireo tanora lalàna fototra ny asa
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly teny amin’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny tetik’asa Miavotra. Tetik’asa novolavolain’ny ministera ho enti-miahy ireo tanora niala an-daharana aloha loatra tamin’ny fampianarana na koa ireo tsy nandia sekoly mihitsy. Omena azy ireo, noho izany, ny zavatra fototra tokony ho fantany eo amin’ny sehatry ny asa satria betsaka ireo tanora no efa miditra amin’ny tontolon’ny fanambadiana sy mitondra vohoka aloha loatra na te-hiditra amin’ny sehatry ny asa aloha . Amin’ny alalan’io tetik’asa io dia afaka omena ireo tanora ireo ilay lalàna fototra tokony ho fantany raha miditra amin’ny tontolon’ny asa izy ireo. Fampiofanana sahady ireo tanora na ao anaty na tsy anaty fampianarana mba hialana amin’ny kolontsaina hoe ady amin’ny fiainana fotsiny no antony hiasana fa mba kolontsaina fandraharahana, hitsinjovana ny any afara hoenti-mampiroborobo ny asa atao.
Tanora 15 taona miakatra
Hatomboka amin’ny fanentanana izany, izay vao hiditra amin’ny fampiofanana izay hatao mandritra ity taona 2016 ity. Hiatrika izany voalohany ireo tanora any Antalaha, Fenoarivo Atsinanana, Marovoay, Ambanja, Antsirabe, Ambositra, Ranohira, Toliara, Ranomafana ary Farafangana. « Notsongaina manokana ireo tanora 15 taona mihoatra ary ireo toerana izay misy sehatr’asa mahakasika azy ireo na eo amin’ny fambolena na fizahantany na fiompiana na jono no hanombohana ny asa mba hijerena ny zavatra manavanana ireo tanora. Ankizy 100 isaka ny toerana iray no ezahina hahazo fiofanana ary haharitra 10 andro izany », hoy i Rakotoarison Paul Ghislain, talen’ny Fiofanana faobe (Direction de formation de masse).
Tetik’asa Miavotra izay hiarahan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena miasa amin’ny ministeran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy, izay vatsian’ny governemanta Afrika Atsimo vola mitentina 46 000 dolara.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







