Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Fiparitahan’ny vola Euros sandoka – Voasambotra i Nino

Taorian’ny fitarainana voarain’ny mpitandro filaminana mahakasika ny fisian’andian’olona manaparitaka vola vahiny sandoka sy manakalo izany any Toamasina dia nisy ny fikarohana ireo mpanao ratsy. Nanatanteraka vela-pandrika indray ny polisy avy eo rehefa fantatra ireo andian’olona ireo. Teo am-pikasana hisoloky ramatoa iray no tratra i Nino ary vola euros sandoka mitentina 1 450 no sarona teny aminy ka 50 euros ny telo ary 100 euros avy kosa ny 13. Nandritra ny fakana am-bavany azy indray avy eo no nanondroany ny namany iray hafa.

Marihina fa efa matetika voasambotra amin’ny asa ratsiny i Nino, araka ny loharanom-baovao marim-pototra avy any an-toerana, saingy tafavoaka hatrany, noho ny fampiasan’ny fianakaviany vola be sy fananana havana eo anivon’ny tribonaly. “Manantena tsy hahita azy handehandeha eto Toamasina intsony izahay fa tena mba hampiharina aminy tokoa ny lalàna velona eto amin’ny firenena”, hoy ny Kaomisera Razafindahy Manitra, nandritra ny valam-dresaka natao tamin’ny mpanao gazety any Toamasina.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre